Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faninakinahana: (hinakinaka) a.: Fikapohana na fivelesana mafy tsy misy indrafo. Ahitsio
Faninakinaka: (hinakinaka) a: Fomba entina mikapoka mafy: Nampihomehy ny nijery ny faninakina-dRakoto ny arasa • p.t.: Tokony hovelesina mafy: Ny zaza maditra toy itony no faninokinaka. Ahitsio
Faninana: (inana) o.: Fomba entina maninana, miezaka hanao mihoatra noho.,,1 Fifaninanana, fampiadiana fahaizana. Ahitsio
Faninanana: (inana) a.: Fiezahana hanao mihoatra noho... Ahitsio
Faninda: (sinda) a.: Fomba entina maninda, mampihataka, mampisava. Ahitsio
Fanindana: (sinda) a.: Fampihatahana, fampisavana. Ahitsio
Fanindao: (indao) a.: Fomba entina manindao, mipaoka, mifaoka. Ahitsio
Fanindaosana: (indao) a.: Fipaohana, fifaohana. Ahitsio
Fanindiminy: (dimy) p.mt.: Famerenana asa iray hatramin'ny indimy: Natonta fanindiminy it? boky Ahitsio
Fanindrahindra: (hindrahindra) a.: Fomba entina manindrahindra, manainga zavatra amin'ny tanana roa mba hampisehoana azy ho hita, hoderaina. Ahitsio
Fanindrahindrana: (hindrahincira) a.: Fanaingana zavatra amin'ny tanana roa mba hampisehoana azy ho hita sy hoderain'ny olona; fanasoasoana: Loza loatra ny fanindrahindrana ny lehibe sasany. Ahitsio
Fanindriana: (tsindry) a.: Fanerena zavatra avy eo ambony amin'ny lanjan'ny tena; fanasiana zavatra mitambesatra aminy avy eo ambony. Ahitsio
Fanindrihana: (tsindrika) a.: Fanafoana trano amin'ny herana. Ahitsio
Fanindrika: (tsindrika) a.: Fomba entina manindrika, mana-fo trano amin'ny herana. 1 p. t.: Azo tsndrihina na tafoan. Ahitsio
Fanindrona: (tsindrona) a.: Fomba entina manindrona. 1 p. t : Azo tsindronina. Ahitsio
Fanindronana: (tsindrona) a.: Fandoahana na famelezana amin'ny lohan-java-maranitra; fanatrobahana amin'ny fanjaitra loaka fidiran'ny ranom-panafody. Ahitsio
Fanindry: (Ski) a.: Hazo lava atsindry ny sarombovonan' ny tafo. Ahitsio
Fanindry: a,: Vorona homankena, karazan'nY papango (Buteo brachypterus). Ahitsio
Fanindry: (tsindry) a.: Fomba entina manindry 1 p.t.: A-zo tsindriana. Ahitsio
Fanindry: (tsindry) a.: Hazo ao ambadiky ny vovonan-karaka izay rehefa tsindriana dia mampisokatra ny laharan-kofehy ambony hisaraka amin'ny ambany (Tenon). Ahitsio