Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanilemana: Fanakilemana (kilema) a.: Fanapahan-tsandry, tongotra; fanimbana bika aman-tarehy. Ahitsio
Fanilihana: (ilika) a.: Fanosehana hihataka, fampihatahana; famindrana voina, fanesorana tsy ho isany, Ahitsio
Fanilika: (ilika) a.: Fomba fanosehana hihataka, fomba fampihatahana, fomba famindrana voina, fombafanesorana tsy ho isany. / p. t.: Azo ailika, tokony hailika: Tsy fonilika ny zaza samba-na. Ahitsio
Fanilisiliana: (silisily) o.: Tsy fanomezana afa-tsy kely bitika. Ahitsio
Fanilisily: (silisily) a.: Fomba entina manllisily na tsy ma-nome afa-tsy kely bitika: Mahotsikaiky it? fanilisilinao ny zavatra omenao ny mahantra. Ahitsio
Fanilo: (tsilo) a.: Jiro lehibe a-tao hanazavana an-kalamanjàna. 1 Mpiambina notendrena hampandre momba ny fanakekezan'ny fahavalo. —os Ahitsio
Fanilo: (tsilo) a.: Fomban'ny zavatra manilo na manindrona. ~ p. t.: Azo tsiloina. Ahitsio
Faniloana: (tsilo) a.: Fanindronana. Ahitsio
Fanima: (aima) a: Fomba entina manima, mandimbana, rnambanga. Ahitsio
Fanimahana: (simaka) a.: Fanalana, fanatsoahana zavatra sintonina; fanendahana. Ahitsio
Fanimaka: (simaka) a.: Fomba entina manimaka na manala vakiny kely. Ahitsio
Fanimana: (sima) a.: Fambangana na fandfmbanana ny molotra na ny morona. Ahitsio
Fanimba: (simba) a.: Fomba entina manimba. 1 p. t : Azo simbana. Ahitsio
Fanimbalony: (valo)p, mt.: Famerenana imbalo. Ahitsio
Fanimbana: (simba) a.: Fanisiana ratsy mitera-pahavoazana; fisakantsakanana ny fahombiazana. Ahitsio
Fanimina: (tsimina) a.: Fomba entina manimina, manjaitra sy mamboatra herana hatao tsimina tafontrano. Ahitsio
Fanimpiriny: (firy) p.mt.: Enti-manontany ny isan'ny namerenana asa iray: Fanimpiriny izao no namangianao ny Dadatoanao marary? Ahitsio
Fanimpitony: (fito) p.mt.: Famerenana asa iray hatramin' ny impito: Fanimpitony izao no nakony ro fanadinana io nefa mbola tsy afoka foana izy, Ahitsio
Fanimpolony: (folo) p.mt.: Famerenana asa iray hatramin' ny impolo: Fanimpolony izao no nanontana io boky nosoratanao io. Ahitsio
Fanina: a. na Fahatsiarovana (na mahatsiaro) ny tena ho jenjina ka mihodinkodina no fijery ny zavatra rehetra manodidina hany ka mety hianjera mihitsy aza ny tena: Sarotim-ponina izy, / Fanina aho izany fa tano. - t.i.f.: Faninina / mahafanina. Ahitsio