Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fangontsina: (hontsina) a.: Hatsiaka mamirifiry. Ahitsio
Fangontsinana: (hontsina) a,: Hari-koditra, fangovitana, fihoron-koditra. Ahitsio
Fangopetaka: (hopetaka) a.: Fipetaka mihanaka, makadiry: Fangopetaky ny feta tamin'ny rindrina. Ahitsio
Fangorahana: a.: Fananana antra, fananana alahelo olona noho izy ory na mijaly. Ahitsio
Fangoraka: (horaka) a.: Fomba entina mangoraka, mana-na antra: Tahaka izany ue no mba fangorakao ny olona mahantra tsy manan-kohanina? p. t.: Tokony hananana antra: Ny olona fadiranouana tahaka ireny no fangoraka. Ahitsio
Fangoràka: (horàko) a.: Toetran'ny zavatra mena mangatrakatraka; mivaivay. Ahitsio
Fangoratsaka: (horatsaka) a.: Toetran'ny zavatra fotsy madio mangatsakatsaka: Mahafinaritra ny fangoratsaky ny diauolana. Ahitsio
Fangorerana: (garera) a.: Fanagorerana, fampivarorahana. Ahitsio
Fangorinana: a.: Anaran'ny bibikely izay miofo ho tsikovoka. Ahitsio
Fangorintsina: (horintsina) a: Fomba angovitana, ahatsiarovana marary. Ahitsio
Fangorintsinana: (horintsina) a.: Fahatsiarovana marary, fangovitana. Ahitsio
Fangorobahana: (gorobaka) a,: Fandoahana tanteraka an-daniny sy an-daniny avy. Ahitsio
Fangorobary: a.: Anaran-kazo madinika tsara fitaina. Ahitsio
Fangorona: (horona) a.: Fomba entina mangorona. 1 p. t.: Azo ahorona. Ahitsio
Fangoronana: (horona) a.: Fanodinana hivoromborona: Fangoronana tady. 1 Fandanonana, fakana miaraka: Fangoronana ny lamba nahahy. Ahitsio
Fangotra: Fangopangotra a.: Zavatra miolanolana sy mitadiditra. - t.i.f.: Afangopangotra,voafangopangotra f mamangotra, famangotra, mpamangotra ) amangotana, famangotana / mifangotra, fifangotra, mpifangotra / ifangotana, fifangotana I mahafangotra. Ahitsio
Fangotrahana: (hotraka) a.: Fandevy, fahamaimay. Ahitsio
Fangotraka: (hotraka) a: Toetran'ny zavatra mangotraka, mafana mivaivay, mandevy: Efa ampy ny fangotraky ny rano fa vonoy amin'izay ny afo. Ahitsio
Fangotsohana: a.: Bibikely karazana fanday fahita eny amin'ny ravin-iavatsa toy ny rotra na ny tanantanana ka manaikitra ary mahavoa ny tandomerina ny lainy. 1 Entina milaza olona tsy azo kasihina noho ny hasiahany. 1 Fetsy holoka. Fetsy. Ahitsio
Fangotsohana: Fangotsongotsohana (hotsoka) a.: Fanaintainana. Ahitsio