Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fangarinana: (harina) a.: Fanolanam-pary hanaovana siramamy gasy. Ahitsio
Fangaro: (haro) a.: Fomba entina mangaro na manetsiketsika mba hiharo: Tsy toy izao velively no fangaro ny vary ahahy. 1 p.t.: Azo haroina: Tsy fangaro ity anana it,V rehefa andrahoina. • a.: Zavatra akambana amin' ny...: Mividiana fangarondaoka ariary enina. Ahitsio
Fangaroana: (haro) a.: Famadibadihana zavatra mba hampifangaro tsara ny ao anatiny; fampikambanana, fampitambarana. Ahitsio
Fangarofana: Fangarohana, Fiharofana, Fiharohana (haro-ha) a.: Fihadiana zavatra ao anaty lavaka, fangaronana mba hahalalana ny miafina. Ahitsio
Fangaroka: (haroka) p.t.: Azo hadina, tsapaina, tadiavina ho fantatra. ? a: Fomba entina mihady, mangaroka, mitsapa. Ahitsio
Fangarompaty: na Fangarompohy a,: Anaran-kafa iantsoana koa ny Marotanana. Ahitsio
Fangarona: (harona) a,: Fomba entina mangarona na misava zavatra ao amin'ny miafina. Ahitsio
Fangaronana: (harona) a,: Fisavana zavatra ao amin'ny miafina: Tokony hofaizina mafy ny fangaronam-paosy eny an-tsena. ~ Fitondrana hanina any am-bava amin'ny tanana: Fomban'ny ankizy ny fangaronan-tanana, rehefa mihinana. Ahitsio
Fangasihasy: (hasihasy) a.: Toetran'ny olona mangasihasy, mangaihay, diso fanantenana: Nampalahelo indray ny fangasihasin'Ibalita ka tsy nanakora azy akory ireo rahalahiny sy ny anabauiny, Ahitsio
Fangatahana: (hataka) a,: Fiangaviana zavatra na fiangaviana asa; fitalahoana, fihantana: Aoka hoekenao ny fangatahako. Ahitsio
Fangataka: (hataka) a.: Zavatra azo angatahina: Tsy fangataka ny voninahitra fa tokony hatao izay hahamendrika mba hahazoana azy. ? Fomba entina mangataka: Ny fangatakao no tsy nahazoanao, Ahitsio
Fangatsiahana: (hatsiaka) a,: Hatsiaka, fangatsiaka (indrindra amin'ny h.o.): Mampalohelo ny fangatsiaham-pon'ireto mponina ireto. Ahitsio
Fangatsiaka: (hatsiaka) a.: Toetran'ny zavatra mangatsiaka na ny olona mahatsiaro hatsiaka: Tsy zakako ny fangatsiakan'ny andro aty, Ahitsio
Fangavitse: (Ski) a.: Haro misY faraingo ny Iohany mba ho fanakaran-javatra ambony na anaty lavaka. Ahitsio
Fangeboka: (geboka) a.: Fomba entina mangeboka, mihinana, manao telimoka, mandanilany. Ahitsio
Fangehana: (gaika) a.: Famihinana, fangiazana, fanerena. Ahitsio
Fangehezana: (gehy) o.: Fifehezana mafy, fanerena, fitazonana. Ahitsio
Fangehy: (gehy) a,: Fomba entina mangehy, mifehy mafy, Ahitsio
Fangeja: (gela) a.: Fomba entina mangeja, mamatotra mafy, Ahitsio
Fangejana: (gela) a.: Famatorana mafy, fangiazana, famihinana, fanerena, fitanana. Ahitsio