Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fangainana: (gaina) a.: Fahadisoampanantenana: Mafimafy kokoa ny fangainan'ny mpianatra try afa-panadinana noho ny an'ny tsy nahazo tamin'ny an-tsapaka. Ahitsio
Fangalabola: a.: Bibikely lava-lava mifono ao anaty tranony vita amin'ny tapa-bozaka sy tapa-kazo madinika, mandeha na mihantona amin'ny hazo. Ahitsio
Fangalahala: (halahala) a.: Toetran'ny zavatra madio mangarangarana: Mba tiako loatra ny fangalahalan'ny rano any an 'ala. Ahitsio
Fangalampiery: a.: Kilalaon'ny ankizy izay toy izao no fandehany: miafina ny maso fa misy anankiray kosa mitady ireo mpiery; ary dia izay hita voalohany amin'ireo indray no mitady; raha misy tsy hitan'ilay mpitady dia milaza ho "afa-po" izy, ka miseho ilay niery. Ahitsio
Fangalarana: (halatra) a.: Fakana zavatr'olona tsy an-drariny, fametsifetsena zavatr'olona. Ahitsio
Fangalarina: (halatra) a.: Entimilaza olona mangalatra foana tsy mety fay fa toa efa anton-draharaha mihitsy aminy ny mangalatra. Ahitsio
Fangalatra: (halatra) a.: Fomba enti-mangalatra • p.t.: Loza raha hangalatra, zatra mangalatra: Zaza fangalatra Ikotofatsora. Ahitsio
Fanganga: (anganga) p.t.: Olona manana toetra ratsy mahamenatra; tafahoatra amin' ny toetra tsy mendrika ananany. • Mikiakiaka matetika amin'ny ditrany (zazakely), • Avo vava na mahay vava (vehivavy). - F,-p,: Fangangan'olona: olona manan-toetra ratsy ikoizana. Ahitsio
Fanganohano: (hanohano) a.: Fangirangirana, fangalahala: Mahafinaritra ny fanganohanon'it9 firavaka 1 Fihandrohandro, toetran'ny ranomaso mby efa ho latsaka: Jereo ny fanganohanon'ny ranomason'itq zazakely fa omeo uatomamy izy. Ahitsio
Fanganohanoana: (hanohano) a,: Famirapiratana, fangalahalana, fihandrohandroana. Ahitsio
Fangao: ppt. feh,: Sao, fandrao, andrao. Ahitsio
Fangaoka: a.: Sotrobe lany fia. Ahitsio
Fangaoka: (haoka) a.: Fomba entina mandoaka, mandavaka. • p, t,: Azo loahana. Ahitsio
Fangaoka: (haoka) p.t.: Kinga amin'ny hafetsena; fatratra raha hangaroka ny hevitra na ny an-karomiafin'ny sasany. Ahitsio
Fangarahana: (haraka) a.: Fampidirana kofehy amin'ny haraka. Ahitsio
Fangaraka: (haroka) a.: Fomba fampidirana ao amin'ny haraka. • p.t.: Fampiditra ao amin'ny haraka. Ahitsio
Fangaraka: a.: Karazam-bibikely mitovitovy amin'ny renitantely na ny fanenitra saingy izy lavalava kokoa ary manify kely ny andilany, fotaka no anaovany ny trano anatodizany, a Andilam-pangaraka: kely andilana, enti-milaza bikan'olona miezoezo. Ahitsio
Fangarihana: (harika) a.: Fijerena manao maso mitsivalana amin'ny sasany. Ahitsio
Fangarika: (harika) a.: Fomba entina mangarika, mijery manao maso mitsivalana. Ahitsio
Fangarina: (harina) a.: Fomba fanolanam-pary. Ahitsio