Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faneroheroana: (herohero) a.: Fanakorontanana. Ahitsio
Fanery: (tery) a.: Fomba entimanery. 1 p. t.: Azo terena. Ahitsio
Fanesena: (sesy) a.: Tsy fiatoana, Ahitsio
Fanesika: (sesika) a.: Fomba entina manesika, mampiditra sesika. 1 p.t.: Azo asesika, azo atao sesika: Tsy mba fanesika kidoro ny fandrotrarana. Ahitsio
Fanesoana: (eso) a: Fanaovana tsinontsinona, fanebahana, fanatsizarizariana: Tsy lefitro iny fanesoana ahy teo imasom-bahoaka iny. ~ Famazivaziana, fananihaniana: Teny fanesoana fotsiny izany ka tsy mampiraika ahy. Ahitsio
Fanesy: (sesy) a.: Fomba entina manesy, manao zavatra misesy tsy an-kiato. Ahitsio
Fanetezana: (hety) a.: Fanapahana amin'ny hety. Ahitsio
Fanetohana: (ketoka) a.: Fanaikerana; fandevilevena mafy. Ahitsio
Fanetoka: (ketoka) a.: Fomba entina manetoka, manaikitra. Ahitsio
Fanetonana: (etona) a.: Fanetrohana, fanadofahana. Ahitsio
Fanetra: (setra) a.: Fomba en-tins manetra, manohitra, manehatra. Ahitsio
Fanetralahy: o.: Ody fiarovana tsy ho voa. Ahitsio
Fanetrena: (etry) a.: Fampidinana ho iva, fampihenana, fandetsena. Ahitsio
Fanetribe: a.: Bibikely manimba ny ravim-bomanga sy ny vodiny. Rehefa bibikely mety ho mpanimba ny voly. ~ H.o,: Enti-milaza ny kamo sy ny mpangalatra: Ireny no fanetriben'ny tany tokony hatosika any am-paravazan-tany. Ahitsio
Fanetrinketrina: (hetrina) a: Habetsahana, mihahohah o. Ahitsio
Fanetroana: (etro) a.: Fisotroan-toaka. Ahitsio
Fanetrohana: (setroka) a.: Fanembantsembanana amin'ny setroka, fandonahana. Ahitsio
Fanetroka: (setroka) a.: Fomba entina manetroka, mandonatsetroka. Ahitsio
Fanetsahana: (hetsaka) a.: Famontosana. ~ H,o.: Fanatanterahana (ny faniriana). Ahitsio
Fanetsaketsahana: (hetsaketsaka) a.: Famelezana mafy tsy an-kisesy; fandarofana, famangoana, fanavokavohana. Ahitsio