Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanelingelenana: (helingelina) a.: Fanorisorena, fampihahakahan-kevitra. Ahitsio
Fanelingelina: (helingelina) a.: Fomba anorisorena. 1 p. t : Azo helingelenina. Ahitsio
Fanelira: (ely ra) a.: Fanafody ampandehanana tsara ny ra eran'ny tena. Ahitsio
Fanelisely: Fanaselisely, Fane-Ioselo (selisely, seloselo) o.: Fomba entina manelisely, manerantserana. Ahitsio
Faneloana: (elo) a.: Fanalofana amin'ny elo, fiarovana amin'ny hainandro. Ahitsio
Fanelohelo: (helohelo) o,: Fomba entina manelohelo, anerantseranana avy eo ambony loha. Ahitsio
Fanelontselona: (selontselona) a.: Fomba entina manelontselona, mampandalo zavatra eo anoloan'olona. Ahitsio
Fanelontselonana: (selontselona) o.: Fampandalovana zavatra eo anoloan'olona, faneraserana, fanetsiketsehana zavatra eo ambony afo. Ahitsio
Faneloseloana: (seloselo) o.: Fampandalovana na fametrahana zavatra eo anoloan'olona mba hanelingelina azy, Ahitsio
Fanembahemba: (hembahemba) a.: Fomba entina manembahemba, manofahofa. ? p. t.: Azo ahembahemba. Ahitsio
Fanembahembana: (hembahemba) a.: Fanofahofana,fanetsiketsehana hik'opaka. Ahitsio
Fanembantsembana: (sembantram bona) a.: Fomba entina manembantsembana, manakantsakana, m anamp ontsampona. Ahitsio
Fanembantsembanana: (sembantsembana) a.: Fanakantsakanana, fanampontsamponana. Ahitsio
Fanembohana: (emboka) a.: Fandoroana emboka. Ahitsio
Fanembonana: (embona) a.:Fahatsiarovana amin'alahelo ka mazàna mahatonga hisentosento. Ahitsio
Fanemerana: (temitra) a.: Fanasiana temitra: Miuerina indray ankehitriny ny fanemerana ny rindrina ao an'efitrano. e Famefena: Tsy hitahita akory ny fanemeran'ny miaramilo ny trano nidiran' ilay mpangalatra. Ahitsio
Fanemitra: (temitra) o,: Fomba entina manemitra, manisy temitra na mamefy, ? p.t.: Azo temerina. Ahitsio
Fanemorana: (hemotra) a: Fanakisahana (fotoana) ho lavidavitra kokoa. Ahitsio
Fanempahana: (empaka) a.: Fanendahan-koditra, fanovahana. Ahitsio
Fanempoana: (empo) a.: Fanaovana izay hampitsonika zavatra tenehina na atanfna andro na afo: Tokony hitandrina amin'ny fanempoana sao misy zaoatra moro moka rehitra eo amin'ny manodidina. Ahitsio