Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faneferana: (efitra) a.: Fanasiana zavatra eo anelanelan'ny zavatra roa na maro izay tsy tiana hifampikasokasoka na hifampipoka. Ahitsio
Fanefikefehana: (hefikefika) a,: Fanetsiketsehana, fanozongozonana. Ahitsio
Fanefikefika: (hefikefika) a,: Fanozongozona, fane tante tsika. Ahitsio
Fanefitra: (efitra) a.: Zavatra entina misakana zavatra roa tsy hipoka. 1 H.o.: Fanafody miaro amin'ny aretina, amin'ny fahavoazana: Maty mazaua tsara tsy nisy fanefitra ilay baolina. Ahitsio
Fanefohefo: (hefohefo) a.: Toetran'ny mpanankarena manandaza. Ahitsio
Fanefohefoana: (hefohefo) a.: Lazan'ny mpanankarena: A-taony ho fahamboniana ers', ny fanefohefoan'Ingahy Rampanariuo! Ahitsio
Fanefy: (tefy) a.: Fomba entina manefy. 1 p, t.: Azo tefena. Ahitsio
Fanehana: (aika) a.: Fanerena, fangejana: Tsy maintsy atao tsara ny fanehana ny tsihy eo am-panaouana azy, * Fiantsoana: Ianao no mikarakara ny fanehana ny fokonolona. Ahitsio
Fanehatra: (sehatra) a.: Fomba entina manehatra, mifanena amin'nY... Ahitsio
Fanehitra: a: Aretiri-kibo mahatonga hivalan-dava tsy ankijanona. ¶ M.h,: Fitsiririhana, Ahitsio
Faneho: (seho) a.: Fampiseho. • p, t, : Azo aseho. Ahitsio
Fanehoana: (seho) a.: Famborahana mba ho hita, fampisehoana ety ivelany: Ny fiondrehana raha mandalo ny Filoha no fanehoana ny fanajana azyFanehoehoana (sehoseho) a.: Laza mahoraka izaitsizy: Niely hatraiza hatraiza ny fanehoehoan'ny fahendrena amam-pahakinQan'io mpanjako io. Ahitsio
Faneja: (heja) a.: Fomba entina maneja, manatsara bika. 1 p. t.: Azo hatsaraina bika. Ahitsio
Fanejana: (heja) a.: Hatsarambika. Ahitsio
Fanejokejo: (kejokejo) a.: Fomba entina manejokejo, manolikoly, manangoly. Ahitsio
Fanejokejoana: (kejokejo) a.: Fanolikolena, fanangolena, fanojokojoana. Ahitsio
Fanekena: (eky) a.: Tsy fandavana: Ho hitonao fa hitondra soa ho anao ny fanekenao ny teniko, e Fankatoavana: Ny angatahina amin'ny kristianina dia ny fanekeny ny didy aman-dalàn'ny Eglizy. ~ Fanoavana: Zava-dehibe ny faneken'ny ambanifanitra ny tanin 'ny Andriamanjaka. Ahitsio
Fanelakelahana: (elakelaka) a,: Fanendahana (zavatra maro mitambatra) hiala tsirairay. Ahitsio
Fanelakelaka: (elakelaka) a.: Fomba entina manelakelaka, manendaka tsirairay. ~ p.t.: Azo elakelahina Ahitsio
Fanelanelanana: (elanelana) a.: Alalana, fangatahana atao ho an'olona: Tamin'ny fanelanelanan-dRanaiuo no nahazoako io tom bon-tsoa io. Ahitsio