Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrozanana: (rozana) a: Fanaovana izay hampitarozaka ny adihevitra. Ahitsio
Fandrozaroza: (rozaroza) a.: Fomba entina mandrozaroza. 1 p.t.: Azo arozaroza. Ahitsio
Fandrozatana: (rozatra) a.: Fandrirodrirotana, fanintontsintonana, famerimberenana milaza zavatra hamelezana olona. Ahitsio
Fandrozatra: (rozatra) a.: Fomba entina mandrozatra, mandrirodrirotra, manintontsintoua. Ahitsio
Fandry: (andry) a.: Fomba na toetran'ny olona na biby mandry, mitsotra: Jereo itS fandrin'ny zanakao: ny iohany indray no any an-tongotra. 1 Fiafarana: Manao ahoana ny fandrin'ny resaka tao? - Fandrim-bolana: fomba fatorin'ny zaza izay misokatra kely ny masony. f Fandrim-bolo: fomba fandrin-javatra mifanongoa tahaka ny taila amin'ny taf ontran o, f Fandrin-dambo: fomba fandry tsy misy kitotony fa mifangaro be misaritaka. / Fandrtn-drano: ny fitovizantantan'ny rano, fitovizana tantana. / Fandrin-tsodina: fomba fandrin'olona maro izay ny lohany mihaona daho-Io eo afovoany ary ny vatany toa manao faribolana manodidina. f Mizaha fandrin'omby: mitaikilo, mitily; mihainohaino na mfjerilery izay ataon'ny olona aloha vao manapa-kevitra raha mba hanao koa. / Trano fandrtondompy: trano fivorian'olondratsy. Ahitsio
Fane: (Ski) a.: Anaran-kazo fakana hafotra fanaovan-trano. Ahitsio
Fanea: (Ski) a.: Karazam-bahy izay ahazoana rano ho fanamamoana ny hazandrano. Ahitsio
Fanebahana: (tebaka) a.: Fanakianana, fanesoana; filazana ankitairano fa tsy nety ny natao; fanaovana tsinontsinona, fanatsizarizariana; fanazimbana, famotsifotsiana. Ahitsio
Fanebaka: (tebaka) a,: Fomba entina manebaka, manakiana, maneso, manaratsy. ~ P. t.: Azo tebahina, tokony hotebahina. Ahitsio
Fanebihebena: (hebiheby) a: Fanofana, fanopakopahana mba hampijanona; fanelingelenana sabla. Ahitsio
Fanebiheby: (hebiheby) a.: Fomba entina manebiheby, misakana, manelingelina. ~ p. t, : Azo sakanana, helingelenina; tokony hosakanana, hohelingelenina: Tsy fanebiheby ny olona miasa, ry 1-koto a! Ahitsio
Fanebisebena: (sebiseby) o.: Famp3janonana arnin'nY fivezivezena. Ahitsio
Fanebiseby: (sebiseby) o.: Fomba entina manebiseby, mampijanona amin'ny fivezivezena. Ahitsio
Fanededena: (edede) a.: Fanakorana, fanalana baraka. Ahitsio
Fanedrahedra: (hedrahedra) a,: Fomba entina manedrahedra, mandrotsirotsy. Ahitsio
Fanefa: p. mt,: Fihasimban'ny hoe kanefa. Ahitsio
Fanefahefa: (hefahefa) a.: Fanetsiketsika, fanofahofa. Ahitsio
Fanefahefana: (hefahefa) a.: Fanetsiketsehana, fanofahofana. Ahitsio
Fanefana: (efa) a.: Fanonerana: Amin'ny herinandro ambony ny fanefako ny trosanao, •Fanoloana: Takiko ny fanefanao ny bokiko very fa sarobidy tamiko loatra izy i-n y, Ahitsio
Fanefena: (tefy) a.: Fanamboarana vy na metaly hafa ho zavatra fampiasa. 1 H.o. : Famolavolana: Tsy mora ny fanefena ny toe-tsaina amampon'ny ankizy hatramin'ny fahakeliny, izay tsy maintsy atomboka hatreo omin'ny fianakaviana, Ahitsio