Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandroritra: (roritra) a.: Fomba entina mandroritra, manintona, mitarika. 1 p.t.: A-zo roritina. Ahitsio
Fandrorona: (rorona) a.: Fomban'ny olona na zavatra mandrorona, efa midina ho ambany. Ahitsio
Fandroronana: (rorona) a.: Fietrena laharana, fitambotsorana: Ny fanambadiana olona noheuerina ho ambany razana noho ny tena no natao taloha hoe fandroronana. e Fihenana: Efa tsapany ny fandroronan'ny heriny noho ny taonany. ~ Fironana miankandrefana, fihilanana: Tamin'ny fandroronan'ny masoandro no niuerenanay nody. Ahitsio
Fandroso: (roso) a.: Fomba entina mandroso; mandeha eo aloha; manolotra zavatra ho an'olona, izay apetraka eo anoloany: Tsy toy izao no fandroso sakafo ho an'ny uahiny, ry Bozy a! Ahitsio
Fandrosoana: (roso) a: Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan'ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan'ny at9 aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa. - Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina. ~ Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran'ny zanakao. ~ Fandehanana isara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao oontnahitra izao. ~ Fivoarana ho amin'ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran'ny fahaizana amam-pahalalan'ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nen tin 'ny fandrosoana. Ahitsio
Fandrotehana: (rotika) a.: Fandrovitana mahatonga ho kotika tsy misy horaisina. Ahitsio
Fandrotika: (rotika) a,: Fomba entina mandrotika na mandrovitra ho tonga kotika. Ahitsio
Fandrotoroto: (ro toroto) a.: Fomba entina mandrotoroto, mampanao ho vita haingana. Ahitsio
Fandrotorotoana: (rotoro fo) a.: Fampanaovana (zavatra) olona haingana. Ahitsio
Fandrotra: (handrotra) a.: Fatorana mivaha moramora ras ha vao voasintona ny laniny. ¶ M.h.: Singory, tadivavarana. - t.i.f. : Afandrotra, voafandrotra, tafafandrotra i mamandrotra, famandrotra, mpamandrotra f amandrotana, famandrotana / mifandrotra, fifandrotra, mpifandrotra f ifandrotana, fifandrotana. Ahitsio
Fandrotrarana: a.: Karazan' ahitra mandady maro tonona. * Ohab.: Fandrotrarana antanàna haolo ka mandimby ray tsy satry: enti-milaza ireo olona voatery hiteny ampahibemaso na hikabary sa-tria tsy eo intsony ireo zokiolona tokony hanao izany. Ahitsio
Fandrotsiana: (rotsy) a.: Fanaovana izay hampibontsimbontsina, hampaharokoroko (hoditra). Ahitsio
Fandrotsirotsiana: (rotsirotsy) a.: Fanetsiketsehana ny zaza eo am-pofoana na eo amin' ny sandry mba hampatory na hampangina azy mitomany, na hahafinaritraritra azy fotsiny. Ahitsio
Fandrotsirotsy: (rotsirotsy) a.: Fomba entina mandrotsirotsY. Ahitsio
Fandrotsy: (rotsy) a.: Fomba entina mandrotsy, manao izay hampaharokoroko (ny hoditra). Ahitsio
Fandrova: (rova) o.: Fombaentina mandrova, izany hoe mamefy amin'ny fefy marani-doha. Ahitsio
Fandrovana: (roua) a.: Fanaovana rova na fefy tsatokazo vaventy marani-doha. Ahitsio
Fandrovitana: (rovitra) a.: Fandriatana, fandrotehana. Ahitsio
Fandrovitra: (rovitra) a.: Fomba entina mandrovitra. ~ p. t.: Azo rovitina: Tsy mba fandrovitra ny taratasy toy itony. Ahitsio
Fandrozana: (rozana) a.: Fomba entina mandrozana na mampitarozaka ady na adihevitra. Ahitsio