Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandronaka: (ronaka) a.: Fomba entina mandronaka na mahatonga ho tia na ho sondriana fatratra. Ahitsio
Fandronana: (rona) a: Fampihilanana, fampiraikana. Ahitsio
Fandrondra: (rondra) a.: Fomba entina milaza na manao hadalana. Ahitsio
Fandrondrana: (rondra) a,: Filazana na fanaovana hadalana. Ahitsio
Fandrongatana: (rongatra) a: Fitroazana mivoaka ny vala Ahitsio
Fandrongatra: (rongatra) a: Fomban'ny biby mandrongatra na miala ao ampahitra, Ahitsio
Fandrongo: (rongo) a.: Fomba entina mandrongo, manisy vakana na kofehy amin'ny sisindamba. Ahitsio
Fandrongoana: (rongo) a.: Fanasiana vakana, kofehy amin'ny sisin-damba. Ahitsio
Fandronjena: (ronjina) a.: Fanosehana (olona mijoro) mba Maniera. Ahitsio
Fandronjina: (ronjina) a.: Fomba entina mandronjina na manosika (olona mijoro) mba Maniera. Ahitsio
Fandrontona: (rontona) a.: Fomba entina mandrontona, izany hoe maka (zavatra) haingana. Ahitsio
Fandrontonana: (rontona) a.: Fakana (zavatra) haingana. Ahitsio
Fandrontsona: (rontsona) a.: Fomba entina mandrontsona, mikapoka, mitendry valiha. Ahitsio
Fandrontsonana: a.: Fikapohana (karavasy, tahamaina), fitendrena, fikitihana (valiha). Ahitsio
Fandrora: (rora) o.: Fomba entina mandrora. 1 p..: Azo rorana: Tsy fandrora, hono, ny tay maina fa mankarary tenda, Ahitsio
Fandrorahana: (roraka) a.: Farnpiketrahana, fangedragedrana, fampitambotsorana. Ahitsio
Fandroraka: (roraka) a: Fomba entina mandroraka, izany hoe mampiketraka, managedragedra. Ahitsio
Fandrorana: (rora) a.: Fanipazana mira: Tavy fandrorana. 1 Ho.: Fanebahana, fanaovana tsinontsinona, fanazimbana, famotsifotsiana: Tana fandrorana ahy mihitsy ny nafitsony. Ahitsio
Fandroribolo: a.: Jar. Fandraribolo. Ahitsio
Fandroritana: (roritra) a.: Fanintonana, fitarihana: Tsy nisy nahita ny fandroritany azy tamin'ny sandriny. ~ Fanenjanana: Samy nanao izay afany ny an-daniny sy an-kilany tamin'ny fandroritana ny tady. 1 Fanalavana, fanitarana: Tsy tsara ny fandroritana ny teny rehefa miady hevitra. ~ Famivitana: Fanaon'ny mpampianatra ny fandroritana ny sofin'ny mpianatra raha maditra. Ahitsio