Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrofia: a.: Ireo allaita volotsangana roa ampiasain'ny vehivavy handamana ny ro-fia. Ahitsio
Fandrohizana: (rohy) a.: Famatorana mafy; fisamborana omby amin'ny fanipazana tady enygamin'ny tandrony na ny tongony. Ahitsio
Fandrohona: (rohona) a.: Fomban'ny zavatra mandrohona, maneno mikotrokotroka na miraondraona. Ahitsio
Fandrohy: (rohy) a,: Fomba entina mandrohy, izany hoe mamatotra mafy na misambotra omby amin'ny fanipazana tady eny amin'ny tandrony na ny tongony. Ahitsio
Fandrokiana: (roky) a.: Famitahana amin'ny fodiana adala. Ahitsio
Fandrokidrokiana: (roky) a.: Fanambatambazana mba hahazoana tombontsoa; famalifaliana mba hanambakana; fanolikolena, fanoiikojena, fanangolena: Tsy naharitra ny fandrokidrokian'ny sakaizany izy ka niala tamin' ny raharahany. Ahitsio
Fandroky: (roky) a,: Fomba entina mamitaka amin'ny fodiana adaia 1 p. t.: Azo aroky. Ahitsio
Fandrombahana: (rombaka) a.: Fangalana zavatra an-keriny ary maika fandrao lasan'ny sasany. Ahitsio
Fandrombaka: (rombaka) a.: Fomba entina mandrombaka, na maka an-keriny sady maika fandrao lasan'ny hafa. Ahitsio
Fandrombina: (rombina) a.: Fomba entina mandrombina, manasimaka. Ahitsio
Fandrombinana: (rom bina) a.: Fanasimahana na fambangana kely eo amin'ny molo-?avatra. Ahitsio
Fandromborombo: (romborombo) a.: Fomba entina mamela romborombo hitarozadrozaka amin'ny lamba. ~ p. t.: Avala hiromborombo. Ahitsio
Fandromboromboana: (romborom bo) a.: Famelana romborombo hitarozadrozaka amin'ny lamba Ahitsio
Fandrombotana: (rombotra) a.: Fandraisana an-keriny, fisintonana zavatra mafy ka rom-bina na silaka ilay izy. Ahitsio
Fandromotana: (romotra) a.: Fanaikerana, fandrovitana amin'ny nify, amin'ny tanana. Ahitsio
Fandromotra: (romotra) a.: Fomba entina mandromotra, manaikitra, mandrovitra amin'ny nify. Ahitsio
Fandromposana: (rompotra) a.: Fiotazana na fanorotana ravin-javamaniry eran-tanana. Ahitsio
Fandrompotra: (rompotra) a.: Fomba entina mandrompotra, mioty na manorotra ravin-javamaniry eran-tanana. Ahitsio
Fandrona: (rona) a.: Fomba entina mandrona, izany hoe mampihilana, mampiraika. Ahitsio
Fandronahana: (ronaka) a: Fanaovana izay haharonaka, ho tia fatratra. Ahitsio