Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandroatra: (roatra) a.: Fiforonan'ny roatra amin'ny zavatra iray rehefa tenehina: Indray mipy maso fotsiny ny fandroatran'ny ronono. Ahitsio
Fandroba: (roba) a.: Fomba entina maka an-keriny, mangorona an-keriny. Ahitsio
Fandrobahana: (robaka) a.: Fandoahana, fanagorobahana. Ahitsio
Fandrobaka: (robaka) a.: Fomba entina mandoaka migorobaka. ? p.t.: Azo gorobahina. Ahitsio
Fandrobana: (roba) a.: Fakana an-keriny, fangoronana ankeriny, fanosena. Ahitsio
Fandrobo: (robo) a.: Fomba entina mandrobo, mamitaka na mitaona amin'ny teny mamy. Ahitsio
Fandroboana: (robo) a.: Famitahana amin'ny teny mamy, fandokadokafana; fitaomana, fitarihana, fandrobohana. Ahitsio
Fandrobohana: (roboka) a.: Fanatsobohana, fanasaikana ao anaty rano: Toy izao no fandrobohana ny siny ao anaty rano. ? Fambosiana, Mao-mana, fanambatambazana hanao zavatra: Mitandrema tsara fa fondrobohana onao fotsiny izany teny mamy ataony izany. Ahitsio
Fandroboka: (roboka) a: Fomba entina mandroboka, manasaika ao anaty rano, manatsoboka. Ahitsio
Fandrobona: na Fanorobona (robona) a.: Toetra na fomban'ny zavamaniry mandrobona na maniry tsara miroborobo: Mahafaly ny mpamboly ny mahita ny fandrobon'ny voliny. Ahitsio
Fandrodahana: (rodaka) a.: Fandanilaniana betsaka tsy amin'antony, fitobatobana, firobarobana. Ahitsio
Fandrodahy: a.: Ahitra karazana fandrotrarana. Ahitsio
Fandrodaka: (rodaka) a.: Fomba entina mandrodaka na mandanilany foana. Ahitsio
Fandrodana: (rodana) a.: Fomba entina maniera amin'ny tany, mandrava. ? p.t.: Azo arodana. Ahitsio
Fandrodanana: (rodana) o.: Fanjerana amin'ny tany, fandravana: Ady mafy ny fandrodanana ny fanompoantsampy, Ahitsio
Fandrodaroda: (rodaroda) a.: Fomba entina mandanilanY foana. Ahitsio
Fandrodarodana: (rodana) a.: Fandanilaniana betsaka tsy misy antony. Ahitsio
Fandrodona: (rodona) a.: Fomba entina mandrodona na mandroaka biby miaraka be. Ahitsio
Fandrodorodo: (rodorodo) a.: Fomba entina mandrodorodo na mampandeha haingana. Ahitsio
Fandrodorodoana: (rodorodo) a.: Fanaovana zavatra haingana; fampanaovan-javatra haingana, fandodonana. Ahitsio