Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrifatana: (rifatra) a.: Fanenjehana, fitezerana, fandevilevena; filefana. Ahitsio
Fandrifatra: (rifatra) a.: Fomba entina mandrifatra, mandositra, milefa. Ahitsio
Fandrihana: (fandrika) mtih. (fandriho): Samborina amin' ny fandrika, amin'ny zavatra amboarirra mba hahazoana am-pitaka: Nofandrihana no nahazoana io vorona io. 1 Tanana mialoha amin'ny vo-la: Tsy azonao amidy intsony ireto vary ireto fa efa nofandrihako. Ahitsio
Fandrika: a.: Zavatra atao hisamborana biby, indrindra ny vorona: Fandri-boalauo. • H.o.: Fitaka atao hamelezana ny hafa. / Fitanana mialoha. 1 t.t.f.: Fandrihana, afandrika, voafandrika ( mamandrika, famandrika, mpamandrika / amandrihana, famandrihana ( mahafandrika. - F.-p.: Mamela-pandrika: manangana fandrika hahazoana biby. / Fandri-borera: fandrika tsara afina. /Fandriborovoro: fandri-borona misy tady kely izay isavorovoroan'ny vorona ka ahafahana misambotra azy mora foana. / Fandri-daoareny: fandrika maro mitandahatra, / Fandrika andanitra: fandrika mihantona ambony tahaka ny tranon-kala. / Fandrika ratarata: fandrika ratsy toerana. / Fandrl-totofana, na fandrimitoto-bozaka: fandrikamiafinafina, famitahana. Ahitsio
Fandrimba: (rimba) a,: Fomba entina mandrimba, manimba, mandrava, mandevona. ? p. t.: Azo simbana, ravana, levonina. Ahitsio
Fandrimbana: (rimba) o.: Fandravana, fanimbana. Ahitsio
Fandrimorimo: (rimorimo) a.: Fomba entina mandrimorimo, manipy zavatra mafY mifofofofo. Ahitsio
Fandrimorimoana: (rimorimo) a; Fanipazana zavatra mafy mifofofofo; fampimonomononana. Ahitsio
Fandrin-drano: a.: Fahamarintampona, fitovizan-tantana toy ny an'ny rano: Fandrindrano ka tsy misy auo sy tua ? H.o.: Fitovizana tanteraka. Ahitsio
Fandrindra: (rindra) a.: Fomba entina mandrindra, mandamina, mandanto. 1 p.t.: Azo arindra, alamina, alanto. Ahitsio
Fandrindrana: (rindra) a.: Fandaminana, fandantoana. Ahitsio
Fandrindrina: (rindrina) a.: Fomba entina mandrindrina, manakatona. Ahitsio
Fandrindrinana: (rindrina) a: Fanakatonana. Ahitsio
Fandringa: (ringa) a.: Toetran' ny olona na zavatra mandringa, miavo miiva. Ahitsio
Fandringàna: (ringa) a.: Fandehanana na fipetrahana mitongilana, tsy marina mahitsy tsara. Ahitsio
Fandringana: (ringana) a.: Fomba entina mandringana, mandripaka, mamono hatramin' ny farany, manimba tanteraka. 1 p. t.: Azo aringana. Ahitsio
Fandringanana: (ringona) a.: Fandravana, fanimbana tanteraka, fandevonana ka tsy misy avala hitsangana na iray aza, fandripahana. Ahitsio
Fandrionana: a.: Ody basy mba tsy hahavoazana amin'ny bala atifitry ny fahavalo. Ahitsio
Fandriorio: (riorio) a.: Fomba entina mandriorio, mampirenireny, mampibirioka. Ahitsio
Fandrioriovana: (riorio) a.: Fampirenirenena; fampibiriohana, fampandehanana atsy fampandehanana aroa. Ahitsio