Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrendrika: (rendrika) a: Fomba entina mandrendrika, mandentika, manempo. Ahitsio
Fandrendrirendrena: (rendrirendry) a.: Fanaovana izay hahajemby, hahajembena. Ahitsio
Fandrendrirendrina: (rendrirendry) a.: Fahavizanan'ny maso (noho ny havesatry ny Io-ha na ny fijerena ela zavatra mahajemby). Ahitsio
Fandrendrirendry: (rendrirendry) a.: Toetran'ny zavatra mandrendrirendry, mahajembena, mamiza-maso. Ahitsio
Fandrenesana: (re) a.: Fahafantarana feo. • Fahazoan'ny olombelona mifandraY amin' ny zavatra manodidina azY ka ahafantarany ny momba ny tsirony, ny fofony, ny feony sy ny hamafiny: Misy efatra ny fandrenesana ka ireto avy ny organina aminy: ny tala, ny orona, ny sofina, ny hoditra amin'ny tena manontolo, fa indrindra ny ta-nana. ¶ M.h.: Varavaran-tsaina. (Marihina fa ny fahitana dia tsy mba voafaoka ho anisan'ny fandrenesana). Ahitsio
Fandrenohana: (renoka) a.: Fanaovana izay hahasondriana, hahavariana. Ahitsio
Fandrenoka: (renoka) a.: Toetran'ny olona mandrenoka, variana, sondriana. Ahitsio
Fandrentena: (renty) a.: Fanaingoana, fandravahana. Ahitsio
Fandrenty: (renty) a.: Fomba entina mandrenty, manaingo, mandravaka. Ahitsio
Fandrepirepena: (repirepy) a.: Fanaovana izay hahafanina, fampivembenana. Ahitsio
Fandrepirepy: (repirepy) a.: Fomba entina mandrepirepy, mahafanina. Ahitsio
Fandrepohana: (repoka) a.: Fipiapiahana, fikepokepohana. Ahitsio
Fandrepoka: (repoka) a.: Fomba entina mandrepoka, mikarepoka. Ahitsio
Fandrerahana: (reraka) a: Famizanana izaitsizy; fampahosana; fanakiviana. Ahitsio
Fandreraka: (reraka) a.: Fomba entina mandreraka, mamizana izaitsizy, mahanoana, mampahosa. Ahitsio
Fandresaresa: (resareso) a.: Fomba entina mandresaresa, mampitarozaka asa na raharaha iray. Ahitsio
Fandresaresana: (resaresa) a.: Fampitarozahana, fanalavana, famelana. Ahitsio
Fandresena: (resy) a.:Fahombiazan'izaY mahery, izay mataniaka: Nidera ny fandresen'ny tafika ny vahoaka. Izy no nahazo ny fandresena tamin'ny hazakazaka. 1 Fanoherana: Tsy mora ny fandresena ny kilema. Ahitsio
Fandresy: (resy) a.: Fomba entina mandresy. • p.t: Azo resena. Ahitsio
Fandresy: a.: Ody poizina fiarovana amin'ny vorika. Ahitsio