Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrapaka: (rapaka) a.: Fomba entina mandrapaka, mihinana avy hatrany dia any am-bava. • p• t.: Azo arapaka. Ahitsio
Fandrara: (rara) a.: Fomba entina mandrara. 1 p.t.: Azo rarana. Ahitsio
Fandrarahana: (raraka) a: Fampitobahana, fanabosasahana: Fandrarahana rano eran'ny trano, 1 Fanasiana, fandrotsahana: Fandrarahana votai-taira amin'ny laoka. • Fanariana: Fadio ny fandrarahana ilo mby an-doha. 1 Fandefana fofona mana tonetona: Tsy zakako ny fandrarahan' io uoninkazo io fofona mandritra ny alina, Ahitsio
Fandraraka: (raraka) a.: Fomba entina mandraraka. • p. t.: A-zo araraka: Tsy fandraraka ny ilo mby an-doha. Ahitsio
Fandraràna: (rara) a: Fanakanana, tsy famelana (hanao zavatra, handeha). Ahitsio
Fandraratana: (raratra) a.: Fandravahana, fampihaingoana. Ahitsio
Fandraratra: (raratra) a.: Fomba entina mandraratra, mandravaka, mampihaingo. Ahitsio
Fandrariana: (rary) a.: Fanaovanarary. Ahitsio
Fandraribola: na Fandrirobola na Fandroribola a.: Kilalao ahitana ankizy mizara roa mifanao an-kilany sy an-daniny ka mifandrirotra tady lava iray; izay an-daniny tsy mahatohitra fa manaraka ny an-kilany no resy, Ahitsio
Fandrary: (rary) a: Fomba entina mandrary: Samy hafa ny fandrarin-dRasoa sy Ra-muai). 1 p.t.: Azo rarina: Fandrary ve itony ahitra itony? Ahitsio
Fandrasa: (rasa) a,: Fomba entina mandrasa. 1 p. t.: Azo rasaina: Tsy loba fandrasa ny taolana. Ahitsio
Fandrasana: (rasa) a: Fandidiana sy fitetehana hena. * Ohab,: Eo am-pandrasana no ahitana ny atiny: anti-milaza fa raha tsy antomorina sy dinihina tsara ny zavatra, tsy hita izay ao anatiny sy tokony hatao aminy. Ahitsio
Fandratra: (ratra) a.: Fomba entina mandratra. Ahitsio
Fandratrana: a,: Famelezana olona amin'ny zava-maranitra ka mahatonga azy hanana fery; fampitondrana alahelo; fampahitana loza; fanimbana. Ahitsio
Fandrava: (rava) o,: Fomba entina mandrava. Ahitsio
Fandravahana: (ravaka) a,: Fampihaingoana. Ahitsio
Fandravaka: (ravaka) a,: Foinba entina mandravaka, mampihaingo. 1 p. t: Azo ravahana. Ahitsio
Fandravalaka: a,: Ody mandrava ny fikasan'olona hamely; teny na fihetaika atao mba hanafoanana ny lalao, ny fihavanan'ny sasany. Ahitsio
Fandravana: (roua) a.: Fanimbana, fandevonana, faniongorana; famahana, fampisaritahana, fanasaratsarahana, fampihahana. Ahitsio
Fandravazana: a.: Karazam-boronandrano. °Fandravina (ravina) a: Toetran'ny zavamaniry mandravina, mitsiry ravina. Ahitsio