Litera f

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fivalo: (vain) a.: Fomba entina mivalo, izany hoe mangatapamelana fa nana() hadisoana, mibaboka. tohiny
Fivaloana: (valo) a.: Fizarana valo. tohiny
Fivalombalona: (valona) a.: Toetran'ny zavatra mivalombalona, manonjanonja. tohiny
Fivalona: (valona) a.: Toetran' ny zavatra mivalona, miforitra manaraka ny rirany tsara. tohiny
Fivalonana: (valona) a.: Fiforetan-javatra. tohiny
Fivalongana: (valongana) a.: Toetran'ny zavatra mivalongana, mivaingana bontolo, tohiny
Fivalozana: (valo) a.: Fanenenana sy fangataham-pamelana fa nanao hadisoana. • Asa a-tao ho fanonerana ny ratsy…tohiny
Fivaly: (valy) a.: Toetran'ny zavatra mivaly, miverina amin'ny tena, misetry. tohiny
Fivanahana: (vanàka) a.: Fijerena toy ny fijeren'ny adala, izany hoe ny maso mivandraka, ny vava mitanatana. tohiny
Fivanàka: (vanaka) a.: Toetran' ny olona mivanaka, izany hoe mijery toy ny fanaon'ny adala, ny vava mitanatana.…tohiny
Fivanavàna: (vanavana) a.: Toetran'ny zavatra mivanavana, izany hoe misokatra mitanatana be. tohiny
Fivanavanana: (vanavana) a.: Fisokafana mitanatana be, tohiny
Fivandirana: (vanditra) a.: Fisiana mivohitra mitsoriaka lavalava: Inona dry ireny fivandirana amin'ny ranjonao iren…tohiny
Fivanditra: (vanditra) a,: Toetran'ny zavatra mivanditra, izany hoe misy mivohitra mitsoriaka lavalava. tohiny
Fivandrahana: (vandraka) a.: Fijerena amin'ny maso midiridiry sady misokatra beFivandraka (vandraka) o.: Fomba entina…tohiny
Fivandravandra: (vandravancira) a.: Fomba na toetran' ny olona mivandravandra, izany hoe mijery amin'ny maso midiridiry…tohiny
Fivandravandrana: (vandravandra) a.: Fijerena amin'ny maso midiridiry feno hatezerana. tohiny
Fivandriana: (vandry) a,: Fitiliana, fiandrasana izay hahavoazan'ny vela-pandrika napetraka. tohiny
Fivandry: (vandry) a.: Fomba entina mivandry na mitily, miandry. tohiny
Fivangongo: (vangongo) a. :Toetran'ny zavatra mivangongo, mitoby miavoavo amin'ny toerana iray. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0982