Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandrahanana: (rahona) a: Fampangotrahana. Ahitsio
Fandraharaha: (raharaha) a: Fomba entina mandraharaha, mifehy, mitondra. Ahitsio
Fandraharahana: (raharaha) a: Fifehezana, fitondrana. Ahitsio
Fandrahona: (rahona) a.: Fomba entina mandrahona, mandevilevy. Ahitsio
Fandrahonana: (rahona) a.: Fanombanana: Jereo ity fandrahonan'ny orana ka andeha hody. ~ H.o,: Rahom-bava: Tsy matahotro ny fandrahonanao aho. Ahitsio
Fandraihana: (raika) a: Fampironana, fanongilanana, fampitongilanana. Ahitsio
Fandraika: (raika) a: Fomba entina mandraika, mampirona, manongilana. Ahitsio
Fandraiketana: (raikitra) a: Fametahana: Fandraiketana sary amin'ny rindrina. 1 Fanapahana, famaranana: Raina ny fandraiketana haingana izany raharaha izany. / Ani(' no fandraiketana ny datin' andro hanaovana ny mariazinareo. Ahitsio
Fandraikiraikena: (raikiraiky) a: Fanadalana. 1 Ody fandravoravoana, ody fitia. Ahitsio
Fandraikiraiky: (raikiraiky) a: Fomba entina mandraikiraiky, mampitoantoana, mahatonga hanaonao foana tsar mitandrina. Ahitsio
Fandraikitra: (raikitra) a: Fomba entina mandraikitra, izany hoe mametaka, na manapaka, mamarana. Ahitsio
Fandraingena: (raingy) a: Fahazoana afo amin'ny fanodinana raingy; fanerena olona hanome zavatra. Ahitsio
Fandraingy: (raingy) a.: Fomba entina mandraingy, maka afo amin'ny raingy. Ahitsio
Fandraisana: (ray) a: Fanantazana: Fahadisoana ny fan. draisana baolina amin'ny la-lao baolina kitra. ~ Fanekena izay omena: Tokony hofadina ny fandraiaana tsolotra ? Fihinanana, fisotroana: Tsy tsara ny fandraisana zauo-pisotro mahamamo matetika na dia kely foana tua. ~ Fitsenana, fampiantranoana: Nafonafana izay fondraisan'ny fokontaninay ny lehibe izayl ? Fanokanana: Amin'ny Alahady heriny no fandraisana ilay Mpitandrina vaouao hiaso eto amintaika. ~ Fahazoana an-tanana: Isaky ny faharoapolon'ny volana no fandraisanay karoma. 1 (fiv.prot.) Fihinanana mofo sy divay ho fahataiarovana ny nataon'i Kristy talohan' ny nahafateaany isaky ny alahady voalohan'ny volana. - F.-p.: Fandraisan-tanana: fiarahabana, vola kely atolotra ny olona vao tonga avy lavitra. Ahitsio
Fandraka: a.: Fiasana fandrafetana na fanefena, izay andoahana na anaovana lalatra kely amin'ny hazo na amin'ny vy: Ento aty ny fandraka handoahako ity hazo - t.i.f.: Fandrahana, afandraka, voafandraka ( mamàndraka, famandraka, mpamandraka / amandrahana, famandrahana / mifandraka, fifandraka, mifamandraka. - F,-p,: Fandrabavy: fandraka izay lehibe ny lelany, / Fandradahy: fandraka izay kely na etiety ny lelany. / Ahitsio
Fandraka: tohanam-piuely: enti-milaza izay rehetra tsy mahavita tena fa atoron'ny hafa. Ahitsio
Fandràka: a.: Hahiazana izaitsizy. Ahitsio
Fandrakaraka: (rakaraka) a.: Fomba entina mandrakaraka, mamaha vola. Ahitsio
Fandrakarakana: (rakaraka) a: Famahana vola. Ahitsio
Fandrakofana: (rakotra) a.: Zavatra entina mandrakotra. 1 Fanasiana zavatra eo ambonin'ny zavatra hafa mba tsy hahitana azy na mba hiarovana azy. Ahitsio