Litera f
Fanamondra: (mondra) a: Fomba entina manamondra, mandany tsiro ny tany.
tohiny
Fanamondrana: (mondra) a, : Fandaniana tsiro ny tany, fanaovana izay hahalany tsiro ny tany.
tohiny
Fanamondriana: (mondry) a. : Fanapahana, fanaboriana ny rantsantanana.
tohiny
Fanamondry: (mondry) a Fomba entina manamondry, manapaka na mambory ny rantsantanana.
tohiny
Fanamongana: (monga) a, : Fanapahana tandroka, tanana, tongotra.
tohiny
Fanamongoana: (mongo) a. : Fanorotoroana, fanamontsamontsanana.
tohiny
Fanamontsana: (montaana) a : Fomba entina manamontsana, manorotoro. ~ p.t. : Azo montsanina.
tohiny
Fanamontsanana: (montsana) a. : Fanamongomongoana, fanorotoroana.
tohiny
Fanamorana: (mora) a. : Fanaovana izay hahamora, fampihenana vidy, fampitonena.
tohiny
Fanamoriana: (hamory) o. : Fitanana ny familiana.
tohiny
Fanamorona: (morona) a. : Fomba entina manamorona, manakaiky ny morona.
tohiny
Fanamoronana: (morona) a. : Fankanesana eo an-tsisina, fanakekezana eo amorona.
tohiny
Fanamory: (hamory) a. : Fomba entina manamory, mamily, ~ Ny fivoy mamily ny lakana.1 Familian-tsambo.
tohiny
Fanamosaka: Fanaposahana (posaka) a. : Fampisehoana, fanambarana.
tohiny
Fanamotahana: (fotaka) a.: Fanorotoroana, fanaovana izay hampahalemy mohaka.
tohiny
Fanamotaka: (fotaka) a : Fomba entina manamotaka, manorotoro.
tohiny
Fanamotehana: (motika) a. Fanapotehana, fandrovitana madinika.
tohiny