Litera f

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Firobana: (roba) a.: Fakana tsy miera. tohiny
Firobirobiana: (robiroby) a,: Fiarahana mifalifaly, firavoravoana. tohiny
Firobiroby: (robiroby) a.: Fomba entina mirobiroby, izany hoe miaraka mifalifaly, miravoravo. tohiny
Firobohana: (roboka) a.: Firotsahana ao anaty rano, fitana. tohiny
Firoboka: (roboka) a.: Fomba entina miroboka, na mirotsaka ao anaty rano. tohiny
Firobona: (robona) a.:Toetran' ny zavamaniry mirobona, izany hoe maniry midokadoka tsara: Endre izany firobon…tohiny
Firodahana: (rodaka) a.: Fandanilaniana foana, fitobatobana. tohiny
Firodaka: (rodaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mirodaka, izany hoe mandanilany foana, mitobatoba. tohiny
Firodana: (rodana) a.: Toetran' ny zavatra mirodana, na mianiera, mikoa, mihotsaka. tohiny
Firodanana: (rodana) a.: Fianjerana ambony ambany, fikoavana, fihotsahana, faharavaria; fivarinana. tohiny
Firodaroda: (rodaroda) a.: Fomba na toetran'ny olona mirodaroda, mandanilany foana, mitobatoba. tohiny
Firodarodana: (rodaroda) a.: Ny fandanilaniana foana. tohiny
Firodona: (rodona) a: Fomba na toetran'ny biby mirodona, na miaraka mandeha. tohiny
Firodonana: (rodona) a.: Fiarahana mandeha, na mihira indraY miaraka, tohiny
Firodorodo: (rodorodo) a.: Toetra na fomban'ny olona na biby mirodorodo, izany hoe mandeha maro miaraka ary haingana…tohiny
Firodorodoana: (rodorodo) a.: Fandehanana maro miaraka na mirimorimo ka mitabataba be amin'izany; fiasana haingana…tohiny
Firofatana: (rofatra) a.: Haraorao,hasaosao,faharokoroko. tohiny
Firofatra: (rofatra) a.: Toetran' ny zavatra maraorao, marokoroko. tohiny
Firofotra: (rofotra) a. : Toetran' ny aretina mibontsimbontsina: Ny firofotry ny bonibony. tohiny
Firohana: (rohana) a. :Fomban' ny zavatra mirohana, izany hoe midaondaona any lavitra. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0427