D | : | : Tarehintsoratra fahatelo ary renisoratra faharoa amin' ny abidy malagasy, mitonona hoe di na de • Fiovan'ny l amin'ny fanakambanan-teny (lalana lavitra = lalan-davitra). 1 Ny 1 amin'ny fitenim-paritany koa indraindray dia d amin'ny fiteny marina : lily =didy,
Ahitsio |
Daba | : | a. : Vata vifotsy fasiana solitany na menaka.
Ahitsio |
Dababaka | : | p.t. : Enti-milaza ny rano feno be loatra, mihoatra ny mety : Dababaka ioatra indray rano amin'ny tanin'anandrano ka sao dia mahald azy. - t.i.f, : Midababaka, fidababaka.
Ahitsio |
Dabadaba | : | a. : Izay atao raha manatsikobana rano, raha mitsobo-drano na milomano. 1 Ny fikotaban'ny rano eo am-pirobohana na eo am-pilomanosana. - t.i.f. f. : Dabadabaina, adabadaba / midabadaba, fidabadaba ) idabadabana, fidabadabana.
Ahitsio |
Dabaka | : | p.t, : Ilazana ny nahandro be rano loatra. i t.i.f. : Midabaka, fidabaka.
Ahitsio |
Dabarà | : | (Ski) a : Omby fotsy, na sada fotsy, akana ra hasotroin'ny bila ka tonga mova tsy ny fatidrany ka na matY aza, tsy ihinanany akory.
Ahitsio |
Dabbka | : | a. : Ilazana ny fidob ky ny rano mitobaka maf ., na ny fitobany raha misy vaingan-javatra lehibe nalefa taminy. - t.i.f. : Midabôka, fidabdka.
Ahitsio |
Dabe | : | p. t. : Makadiry sady matavy, na boribory lehibe.
Ahitsio |
Dabebaka | : | p.t. : Fohy vatana nefa lehibe sy mivelatra ny vavany : Iza no hahalany vary bebe kokoa araka ny hevitrao : ity harona dabebaka it?y sa Iroa lavalava kely vava iroa ? ¶ M,h, : Tabebaka. - t.i.f. : Midabebaka, fidabebaka.
Ahitsio |
Dabilio | : | (fr. établi) a. : Akalandava fipetrahana any an-tsekoly na amin'ny trano fivoriana.
Ahitsio |
Dabo | : | a : Valala karazan'ambolo.
Ahitsio |
Dabo | : | p.t. : Tsy manana antondraharaha fa ny mipetraka na mandrimandry na mandehandeha foana ary ny homan-kanina no ataony. ¶M.h,:Kama.
Ahitsio |
Dabo-dela | : | p. t. : Enti-milaza ny olona matavitavy lela ka tsy afa-miteny tsara, fa raha miteny izy, dia mitrangatranga ny lelany ka tsy mahavoaka mazava ny teny lazainy ny feony fa toy ny miraikitra.
Ahitsio |
Dabo-drano | : | p.t. : Enti-milaza ny zana-borona (vorombe na ganagana ) matavy sy hifotrifotra.
Ahitsio |
Dabobohana | : | (daboboka) mt. ih. (dabobohy) : Ianjerana : Teto amin'ny simd teto ve no nodabobohany ?
Ahitsio |
Daboboka | : | a. : Fianjerana ka ny tena manontolo no indray miantonta mafy. • Fidabohana mafy aharenesana feo midoboka. i tif f. : Dabobohana, adaboboka / manadaboboka na mandaboboka, fanadaboboka, mpanadaboboka / anadabobohana,fanadabobohana( midaboboka na miandaboboka, fidaboboka, mpidaboboka )idabobohana,fidabobohana.
Ahitsio |
Dabofoka | : | a. : Fianjerana, ka ny tena manontolo no indray mivongady sy midaboka amin'ny tany, - t.i.f. : Midabofoka.
Ahitsio |
Dabohana | : | na Dabofana (daboka) mt.ih. (dabohy, dabofy) : Velezina, kapohina, tontaina : Maditra loatra io zaza io ka aoka hodabofandrainy any.
Ahitsio |
Daboka | : | ft. : Enti-milaza : Fianjerana. 1 Fitsorana mivalampatra. / Halavoana. • Fiaiken-keloka na fibabohana. 1 Famelezana, fanatontana. - t.i.f. : Dabohana na dabofana, adaboka, voadaboka, tafadaboka ( manadaboka na mandaboka, fandaboka, mpandaboka ) anadabohana, fanadabohana( midaboka,fidaboka, mpidaboka (idabohana, fidabohana ( mahadaboka)dabodaboka.
Ahitsio |
Daboka | : | p.t. : Vaventy sy matavy (teny tsy mba fampiasa manokana fa misy fanampiny mandrakariva, dia izay hi-ta amin'ny hoe : dabo-dela, dabo-drano, dabokandro).
Ahitsio |