Afingana | : | (fingana), mt. fit. (afingano): Entina mamingana: Ny tongony hauanana no nafingany an'ilay kely.
Ahitsio |
Afintina | : | (fintina), mt. at. (afintino): Atao mifintina, mihakely vatana.
Ahitsio |
Afintsa | : | a.: Akondro afa-kodiny nomainina mba hotehirizina.
Ahitsio |
Afioka | : | (fioka), mt. fit. (afiohy): Entina mikapoka mirivorivo.
Ahitsio |
Afira | : | (fira), mt. fit. (afirao): Entina mamira, mikapa, mijinja: Ny antsy no afira ny vary rehefa m?inja
Ahitsio |
Afitra | : | (titra), (afiro): mt, fit.: Entina mamitra, mamafa: .1-t? taratasy it? afitra ny zaza. mt. at.: Akosoka, afaoka: A-za afitra amin'ny rindrina ny tananao maloto.
Ahitsio |
Afitra | : | a.: Fiatoana, fijanonana 1 t.i.f.: aferina, voafitra / miafitra, fiafitra, mpiafitra ) iaferana, fiaferana j mahafitra.
Ahitsio |
Afitsaka | : | (fitsaka), mt. at. (afitsaho): Atao mifitsaka: Afitsaka ny tany alohan'ny hanorenana ny trano. 1 Afenina, angalarina: Nafitsany ny volako ariary folo.
Ahitsio |
Afitsoka | : | (fitsoka) mt. fit. (afitsohy): Enti-mamely, atoraka: Karavasy hoditra mihitsy no nafitsony azy. F• mt. at.: Atao:Tsara ny lahateny nafitsony izay! ? Lanina: Nafitsony tamin'ny soavaly daholo ny volany.
Ahitsio |
Afo | : | a.: Fivoahan-kafanana sy hazavana miaraka, atera-javatra anankiroa: ny iray mety mirehitra (hazo, arina, bozaka...) ary ny iray tsy hita maso ao anatin'ny rivotra atao hoe oksizena, izay mandoro mahamay: Latsaka ny hariva ka efa mampirehitra afo ny olona - F,-p,: Tsy mamoaka afo: enti-milaza ny olona misaona ka tsy mbola afaka manao harendrina amin'ny Fandroana; maty afo: enti-milaza ny tsipoapoaka tsy mipoaka — na enti-milaza olona tsy manan-kandroina na hohanina; maka afo: tsy manana afo ka mandeha any an-tranon'olona maka vainafo mba hampirehetana afo any an-tranon' ny tena. * Ohab.: Manantsafa ohatra ny mpaka afo: manontany zavatra efa fantatra rahateo; misorona afo, manisy afo: mandroso kitay ao am-patana; main'ny afo natsangany: voan'ny nataony ihany. ¶ M. h.: mandrora mitsilany; afo nandoro ny lambako io: zavatra efa nahavoa ahy io ka tandremako tsars amin'ny sisa.
b.: môtro Ahitsio |
Afobe | : | a.: (Fie. krist.) Toerana tsy ahitan'ny ratsy fanahy an'Andriamanitra mandrakizay amin'ny fiainana any ankoatra its' fiainana it? ary heverina fa ijaliany amin'ny afo be tsy mety maty. H.o.: toerana ijaliana sy iferetana aina izaitsizy: Afobe ny fanambadiana tsy misy fitiavana.
Ahitsio |
Afody | : | (fody), mt. at. (afodio) Enti-milaza entana novidina ka tsy raikitra indray fa averina amin'ny nivarotra azy: Nafodiko tany amin'ny mpivarotra ilay satroka fa malalaka loatra.
Ahitsio |
Afofandiovana | : | a. (Fie. krist.): Toerana anefan'ireo nihavana tamin'Andriamanitra talohan'ny nahafatesany ny sazim-pahotana vitany, ka idiovany alohan'ny hidirany amin'ny fiainan-tsambatry ny lanitra.
Ahitsio |
Afofoka | : | (fofoka), mt. at. (afofohy): Azera, avarina: Nafofony teny alatrano ny entako rehetra. 1 Amidy daholo, lanina tanteraka; atao majifa: Tsy nisy hivelomany ka nafofony daholo ny taniny rehetra./ Nafofony tamin'ny loka ny fananany. / Loza fa nafofoky ny tontakely ny tao an-tranony rehetra.
Ahitsio |
Afofotra | : | (fofotra), mt. fit. (afofory): Ampiasaina mba hitsoka rivotra.
Ahitsio |
Afoina | : | (foina), mt. fit. (afoino): Entina mamoina na manery mba tsy ho afa-mihetsika ny vato amin'ny fanorona
Ahitsio |
Afoka | : | (foka), mt. fit. (afohy): Entina mifoka, mitroka.
Ahitsio |
Afokafoka | : | a.: Firehetan-katezerana. - t.i.f.: miafokafoka, fiafokafoka, mpiafokafoka / fafokafohana, fiafokafohana.
Ahitsio |
Afokasoka | : | a.: Poti-banja miraikitra amin'ny tendron' ny tahon-kazo kely, izay akasoka amin'ny baoritra misy ankoso-banja koa ka miteraka lelafo vetivety. - F.•p,: uoan'afokasoka: ny singany tsirairay; tahon'afokasoka: ilay tapany tsy mirehitra; tranon'afokasoka: ny fitoerany.
Ahitsio |
Afolaka | : | (folaka), mt. at. (afolaho): Atao mifolaka; aforitra: Tsy manaiky, hono, izy fa nafolakao ny tanan-janany.
Ahitsio |