Afendrotra | : | (fendrotra), mt. at. (afendroty): Aketrona.
Ahitsio |
Afenina | : | (afina), mt. ih. (afeno): Atao tsy hitan'ny olona: Nafenin'ny namany ny satrok'Isambilo ka nitomany ny anao lahy. ~ Tanna ho tsiambaratelo: Mbola nafenina aloha ny niambohoan'ny mpanjaka sao mikorontana ny uahoaka. • Alevina (filaza amin'ny mpanjaka): Rehefa auy nafenina ny Masina, dia niandry izay ho dimbiny ny ambanilanitra.
Ahitsio |
Afeno | : | (feno), rnt. fit. (afenoy): Entina mameno, ainenoana: Ny rano amin'it? jaogy it? afeno ny sinibe.
Ahitsio |
Aferina | : | (afitra), mt. ih. (afero): Ajanona, aato, ahantona.
Ahitsio |
Afero | : | a.: Paosy kely lavalava eo ambanin'ny aty kely foana (amin'ny ila havanana), izay iangonana rano maitsomaitso mangidy antsoina rahateo hoe ranonafero, izay miforona ao amin'ny aty ka midina ao amin'ny vava tsinay rehefa miditra ao ny sakafo ~ Ilay rano maitsomaitso mangidy mihitsy. 1 Zavatra mangidy dia mangidy. ? F,-p.: Tsy uaky atatra, tsy vaky afero: olona tsy mahalala menatra na kely ara; olona lany henatra. s, Ohab.: Raha voatohina ny aty, marary ny afero: raha misy havana na sakaiza voateny na asian'ny sasany, ny tena avy no mahatsiaro mararirarY.
Ahitsio |
Aferontanivaventy | : | a.: Zavamaniry fanalana fofona ny fivalanandrano (Phellolophicum madagascariensis).
Ahitsio |
Aferontany | : | a. Karazan-javamaniry ohatra ny ahitra, mangidy aoka izany ny tsirony, fanao ody kohaka (Mollugo nudicauiis).
Ahitsio |
Afeta | : | (feta), mt. fit. (afetao): Entina manentsina.
Ahitsio |
Afetaka | : | (fetaka), mt, at. (afetaho): Atao mipetaka, miraikitra.
Ahitsio |
Afetra | : | (fetra), mt, fit. (afero): Entina mametra.
Ahitsio |
Afetrika | : | (fetrika), mt, fit. (afetreho): Amelezana (totohondry): Ny totohondriko hava-nana no nafetriko azy ha nitsirara ter,? ny anao.
Ahitsio |
Afetsaka | : | (fetsaka), mt. at. (afetsaho): Azera, ahotsaka: Nafetsaky ny orana lahy ny rindrin'ilay tranon-dRabe! mt. fit.: Ikapohana: Rotsakazo kely no nafetsako ny adala dia torana izy.
Ahitsio |
Afezaka | : | (fezaka), mt. at. (afezaho): Atao mifezaka.
Ahitsio |
Afia | : | (fia), mt. fit. (afiazo): Ageja, entina mangeja, mamia.
Ahitsio |
Afiafy | : | na Mantsimpofona a: Zavamaniry ratsy fofona azo ampiasaina ho ody tandomerina sy aretin-koditra mandrotsirotsy raha ahosotra, ary ny tahony fampandosirana ny moka rehefa dorana (Celtis discodoxylon).
Ahitsio |
Afihina | : | (fihina), nit, fit. (afihino): Entina mamihina, mangeja, manery.
Ahitsio |
Afihitra | : | (fihitra), mt. fit. (afihiro): Entina mamihitra na mamikitra: Ny tananao hava-nana afihitra amin'ny hazo.
Ahitsio |
Afina | : | a.: Fanaovana zavatra amin'ny toerana tsY hitan'ny olona, fitanana zavatra tsy ho fantatr'olona: Ataouy tsara afina ireo firavaka sarobidy ireo fa sao misy mangalatra - t.i.f.: afenina, voafina/ manafina, fanafina mpanafina/ anafenana, fanafenana / miafina, fiafina, mpiafina / iafenana, fiafenana ( mahafina / afinafina ! afinafenina.
Ahitsio |
Afindra | : | (findra), mt. at. (afindrao): Ovana toerana: Nafindranareo any ambony rihana angaha ilay latabatra teto?
Ahitsio |
Afingafinga | : | (fingafinga), mt. fit. (afingafingao): Entina manao amparapaingo, mamingana.
Ahitsio |