Litera a

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Antsibe: a.: Antsy lehibe azo ampiasaina ho toy ny farnaky fikapana hazo. tohiny
Antsifiharatra: a.: Antsy fanaratana toy ny hareza fahizay, ny tahony tena iray amin'ny lelany ihany. tohiny
Antsifohy: a.: Antsy lehibe lela tohiny
Antsifotsy: a.: Antsy fitondran'ny miaramila miady. tohiny
Antsika: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny isika raha atao teny fameno: Mahita antsika Andriamanitra,…tohiny
Antsikely: a.: Antsy madinika, kelikely na ny lelany na ny zarany. - F.-p.: Antsikely be zarany: olona be didoha,…tohiny
Antsimbary: a.: Antsy mifaraingo ny lelany ka ampiasaina hijinjana vary. tohiny
Antsimbilona: a.: Antsy lehibe fanapahana vilona. tohiny
Antsimpanafody: a.: Antsy kely fandidian'ny dokotera marary. tohiny
Antsindahy: a.: Karazan'ahitra. tohiny
Antsinkena: a.: Antsy fandidian'ny mpivaro-kena hena. tohiny
Antsio: a.: Anaran-kafa omena ny angely. tohiny
Antsipika: a.: Karazan'antsy izay misy lelany mety mipika ka misisika ao anaty tahony efa voavoatra ho amin'izany.…tohiny
Antsitrika: (sitrika), a.: Fomba filomanosana milentika any anaty rano sady misosa ao ka raha tsy elaela tsy mitranga…tohiny
Antsiva: a.: Anjombona vita amin'ny akorandriakandranomasina, fampiasan'ny any amorontsiraka indrindra mba hamory…tohiny
Antsivy: a.: Anaran'ny fanorona misy tsipika sivy fipetraham-bato ny lavany, ary dimy ny sakany. tohiny
Antso: a.: Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin'ny tena; famoriana…tohiny
Antsoalany: p.mt.: Vita tomombana tsara daholo (teny ampiasaina indrindra amin' ny filazana ny fombafomba rehetra…tohiny
Antsoantso: t.v.r.; a.: Fitenenana mafy, fivazavazana. - t.i.f.: antsoantsoina / miantsoantso, fiantsoantso, mpiantsoantso…tohiny
Antsobo: a.: Karazan'ahitra. ~ lefona. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162