Anglikanina | : | (fr. anglican) a.: Antokom-pivavahana kristianina naorin'ny mpanjakan9 Englanda Henri VIII rehefa avy niendaka tamin'ny Eglizy katolika izy; noho izany, dia misy if anahafany amin'ny fivavahana katolika ny fivavahana anglikanina; nefa misy maha-samy hafa azy betsaka koa, toy ny isan' ny sakramenta, izay lazainy fa roa monja: ny batisa sy ny fanasan'ny Tompo; ny fahazoan'ny eveka sy presb'r tara manambady; ny tsy finoany ny fiovan'ny mahamofo sy ny maha-divay amim-pahagagana ho nofo sy ran'i Kristy...
Ahitsio |
Anglisy | : | (angl. English) na An-file)? (fr. Anglais) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Englanda na Angletera: Monge-mahalatsaka izay ny
Ahitsio |
Anglisy | : | i p.t.: Momba an'i Angletera na an'i Angletera na avy any Angletera: Anisan'ny teny sarotra tononina ny teny anglisy na angley.
Ahitsio |
Angoa | : | ppt, feh.: Sao, fandrao: Aza mihinana ireo uoankazo manta ireo angoa marary eo ianao. ¶ M.h.: sao, fandrao, andrao, sangoa.
Ahitsio |
Angoaka | : | a.: Karazan-tsahona madinika manana feo somary mafy manokana izay.
Ahitsio |
Angoango | : | a., ft.: Enti-milaza hevitra miavoavo, fitoeranjavatra feno mitafotafo, na zavatra miavovona be. ? h. o.: Aingitraingitra sy haitraitra. - t.i.f.: miangoango, fiangoango, mpiangoango / iangoangoana, fiangoangoana.
Ahitsio |
Angoatenda | : | a.: Feo avo avy any an-tenda ataon'ny ankizilahy eny an-tsaha —indrindra ny mpiandry omby —rehefa mifampihaiky ady izy; toy izao no fanaony azy: sady dondoniny ny traotraokany no miantso mafy izy ary dia manahaka ny fanenon' ilay sahona kely atao hoe angoaka ny feo ataony amin' izany.
Ahitsio |
Angoby | : | a.: Ny mahafeno ny eran'ny tanana roa mikombona boribory ka ny ankibe sy ny fanondro anankiroa no mifampikasika.
Ahitsio |
Angodona | : | (ngodona) mt. at. (angodony): Atao mingodona.
Ahitsio |
Angoho | : | a: Trondron-dranomasina mahay milomano aoka izany ary tsara nofo; mety hahatratra lm ny halavany ary 30 kg ny laniany.
Ahitsio |
Angoja | : | p.mt. (t. tr.): An-katerena.
Ahitsio |
Angola | : | Angolangola a.: Hantahanta mahatonga hanao fihetsehana somary mampiraika kely ny loha, fiangotingotiana te ho tiana, angentsangentsana, angotfngoty, haitraitra: Be angolangola loatra iny zanakao iny, Rasoa. 1 Filatron-kira, fomba fihirana asiana toa miolana kely ny feon-kira: Be angola loatra ny fihiranareo ilay hira ka ilo tsy ho fantatra intsony ilay izy. a F,-p.: angola uaitra: hanta-hanta fatratra; / angolan-dahinjiro: ilay fotsifotsy amin' ny lahinjiro avy nirehitra; / ny fotsy angola: ilay fotsifotsy avy nirehitra koa amin' ny sigara.
Ahitsio |
Angola | : | a.: Karazana lalao kanety izay toy izao no filalao azy: tazonina amin'ny ankibe sy fanondro ary fanondroadala amin'ny tanana ha-via ny kanety ary tsipindina amin'ny fanondroadalan'ny tanan-kavanana kosa.
Ahitsio |
Angolaina | : | (angola), mt. ih. (angolao): Arahina ny haitraitrany: Haditra io zanakao io fa efa dia angolainao loatra. ~ Enti-milaza hira izay vole-na haingonkaingony miolana kely rehefa mihira azy: Angolainy ny hirany ka ao ny mihomehy, ao ny hontsahontsa.
Ahitsio |
Angolena | : | (angoly), mt. ih. (angoleo): Drokidrokina: Nongolen'ny sakaizany izy no nahavitany izany.
Ahitsio |
Angoly | : | a.: Fandrokidrokiana mba hanambakana, tambitamby mba hametsena. - t.i.f.: angolena 1 manangoly, fanangoly, mpanangolY 1 anangolena,fanangolena.
Ahitsio |
Angona | : | ft.: Milaza hevitra fivoriana,fitobiana. - t.i.f.: angonina, voangona, tafangona 1 manangona, fanangona, mpanangona 1 anangonana, fanangonana I miangona, fiangona, mpiangona / iangonana, fiangonana f mahangona.
Ahitsio |
Angongo | : | a.: Voronandrano mitovy amin'ny gisa madinika ny habeny, fahita indrindra amin'ny faritany andrefana sy afovoany. ¶ M.h.: ongongo, kaboka, koboka, rasana.
Ahitsio |
Angongo | : | ft.: Enti-milaza fiavovonana sy fitobiana amin' ny toerana iray. - t.i.f.: manangongo, fanangongo, mpanangongo / anangongonana, fanangongonana 1 miangongo, fiangongo, mpiangongo 1 iangongoana, fiangongoana.
Ahitsio |
Angonina | : | (angona), mt. ih. (angony): Vorina, atoby, enti-milaza zavatra maso apetraka amin'ny toerana iray: Angony eo aloha ny vato alohan'ny hihadiana ny fototm.
Ahitsio |