Adikasajy | : | a.: Laharan-tsikidy faharoa ambin'ny folo amin' ny sikidy alanana der. Sikidy).
Ahitsio |
adiko | : | jereo [ady] : tolona, fihatrehana zavatra sarotra. Oh : rehefa maty aho angamba vao ho tapitra ny adiko! (izany hoe miatrika zavatra sarotra foana) Ahitsio |
Adilana | : | (dilana), mt. fit.(adilano): Entina manety eo afovoany.
Ahitsio |
Adilotra | : | (dilotra), mt. at. (adilory): Akasoka mafy , akitroka.
Ahitsio |
Adimby | : | (dimby), dit. at. (adimbaso): Asolo: Ny zanany lahimatoa no nadimby azy. Mividiana tsofa uaouao hadimby an'it?.
Ahitsio |
Adimizana | : | a.: Anaran'ny volana fahafito amin'ny filaharan'ny volana malagasy mari-na, aorian'ny Asombola ary alohan'ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo andrefana (zorombaravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin'ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy. • Fanandr.: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty.
Ahitsio |
Adina | : | Adinadina Ahitsio |
Adingana | : | (dingana), mt, at. (adingano): Ahoatra, adika: A-za adingana ny lohan-drainao ny sahafa, anaka.
Ahitsio |
Adingidingy | : | (dingidingy), mt, at. (adingidingio): Asondroititra avo.
Ahitsio |
Adingina | : | (dingina), mt. at. (adingino): Atsangana henjana mahitsy: Nadingin'ny alika ny rambony dia lasa izy.
Ahitsio |
Adinina | : | (adina), mt. ih. (adino): Anontaniana, antsafaina: Nadiniko azy ny anarany fa tsy namaly izy. • Fotorana lalina na mafy, alaina am-bavany; donina, pohina, haro-fana, faninina: Nadinina ilay uoampanga ny amin'ny nandaniany ny androny, nefa nihenahena velona. • Tsapafna fahaizana, zahana fahaizana: Nadinina marika aho aninaraina ka tsy nahay.
Ahitsio |
Adinkisa | : | a.: Anarana laharantsikidy iray amin'ny sikidy alanana (fer.: Sikidy).
Ahitsio |
Adiny | : | a.: Ny mafy, ny sarotra, ny manahirana amin'ny raharaha iray: Ny manoro toa mora, fa ny manao no adiny. Mora ny miteny fa ny manao no adiny. * Ohab.: Androngo nangataka ka ny mody no adiny.
Ahitsio |
Adiny | : | na Adim-pamantaranandro a: Ny iray ampahefatra amby roapolon'ny andro iray manontolo; fotoana vitan 'ny sah az ab em-p am antaranan dro mihodina indray mandeha tanteraka: Efa adiny roa (efa adim-p aman ta ranandro roa) izao no niandrasako anao teto. Mbahilazana ny ampahan'ny ora dia ny teny adiny ihany no ampiasafna: Antsasak'adiny, ampahefatr'adiny.
Ahitsio |
Adiresy | : | (fr. adresse), a.: Fanondroana ny toerana onenan'ny olona iray: Axa fady indrindra mba lazao ahy kely ny adiresin-drainao.
Ahitsio |
Adiridiry | : | (diridiry), mt. at. (adiridirio): Henjanina mafy ny hodi-maso mba hahatonga ny maso hivandraka sy hisokatra be: Aza adiridiry ohatra izao ny masonao fa mahatahotra.
Ahitsio |
Adisanina | : | (fr. addition), a.: Fanambarana isa, fanatontaliana isa: Efa mahay manao adisanina Ibalita kely. * f.-p.: Efa manao adisanina izany ny kankana: efa nana be ihany izany.
Ahitsio |
Adisaona | : | a.: Ny hihi-nify amin'ny fara valanorano. * f.p•: Vaky adisaona: maniry faxa vazana; h.o. olona mato-tsaina, hendry.
Ahitsio |
Aditsika | : | (ditsika na ditsoka), mt. fit. (aditsiho): Entina na ampiasaina hahaditsoka.
Ahitsio |
Aditsimay | : | a.: Anaran'ny laharan-tsikidy fahenina amin'ny sikidy alanana (jer. Sikidy).
Ahitsio |