Ampahadimy | : | a.: Ampahany amin'ny zavatra nozaraina dimy: Omeo azy ny telo ampahadimin'io mofomamy io.
Ahitsio |
Ampahafito | : | a.: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina fito: Enina ny roa ampahafiton'ny iraika amby roapolo.
Ahitsio |
Ampahafolo | : | a,: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina folo: Enina ampahafolon' ny atody nakotriko no foy.
Ahitsio |
Ampahany | : | a.: Tapany, ilany: Misy ampahany amin'it>, lalana it? mbola tsy vita tsaamborifotsy ra. 1 Sasany: Nisy ampahany tamin'ny mpivory tsy nanaiky tsy nandà.
Ahitsio |
Ampahany | : | a.: Fizarazarana mitovy ny venty na vongana iray ka ny filaza azy amin'ny kajy dia amin'ny alalan'ny tarehimarika roa mifanao ambony sy ambany sarahin' ny tsipika roa, ka ilay ambany milaza ny isa nizarana ny vongana, ary ilay ambony, ny isa nalaina tamin'ireo fizarazarana, oh. 3/7, ampahany milaza fa nozalaina 7 ny venty ka 3 no nalaina tamin' izany.
Ahitsio |
Ampahasivy | : | a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina sivy.
Ahitsio |
Ampahatelo | : | a.: Ny ampahan' ny zavatra iray izay nozaraina tain mitovy.
Ahitsio |
Ampahavalo | : | a.: Ampahany iray amin'ny zavatra zaraina valo. so; / mamoaka ampahibemaso: milaza mba ho fantatry ny olona rehetra: Efa namoaka lalàna ampahibemaso momba izany ny fanjakana.
Ahitsio |
Ampahefatra | : | a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina efatra: Ny ampahefatry ny roapolo dia dimy.
Ahitsio |
Ampahenina | : | a.: Ny ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina enina: Mitovy ihany ny antsasany sy ny telo am-paheniny.
Ahitsio |
Ampahibemaso | : | pin t.: Ankarihary, anoloan'ny olona rehetra ary tsy afinafenina: Tsy niafinafina akory izy nanao izany fa teo ampahibemaso tao. a F.-p.: Milaza ampahibemaAmpalesina na Ampalina (ampaly) mt. ih. (ampaleso, ampalio): Lamaina amin'ny ampaly, izany hoe atao malambolambo tsara (fiteny amin' ny hazo, taolana, tandroka na ny metaly fotsiana koa aza). 1 H. o.: Enti-milaza zavatra hatsaraina fatratra ny filaza azy mba hahafinaritra ny mpihaino na mba tsy hanafintohina ny sasany. ~ Fiten.: Miteny iray toa novankonina, miteny iray toa nain pales ma: enti-milaza o10-na roa na maro samy mahay miteny, ka izay rehetra mise-ho mahavaky vava daholo, na dia tsy mitovy akory aza ny zavatra lazainy.
Ahitsio |
Ampahimandry | : | (Tsm) a.: Longoa, hady na lavaka tsatohana volotsangana na hazo maranitra mba hamandrihana lambo.
Ahitsio |
Ampaingo | : | a.: Fato-pohy, gadra fohy (jer. parapaingo).
Ahitsio |
Ampaingoina | : | (paingo) mt, ih. (ampaingoy): Enti-milaza ny olona asiana gadra ny tongany, na ny vorona asiana fatotra ny tongony.
Ahitsio |
Ampaka | : | a.: Loka kanety ataon'ny ankizy: izay mahafaty dia maka ny kanetin'ny resy: Ampaka roa, / ampaka telo: kanety roa, telo no indray alain'ilay maharesy.
Ahitsio |
Ampala | : | (Ski) a.: Folon-dambo filalaovana misy sari-na lehilahy mitondra famaky.
Ahitsio |
Ampalibe | : | a.: Hazo Inhibe tsy fahita afa-tsy amin'ny tany mafana, be tavolo ny voany ary anisan'ny lehibe indrindra amin'ny voankazo rehetra fa mety mahatratra 15 kilao; ny tsirony, mamy sy matsiro, saingy misy fofony maherihery kosa.
Ahitsio |
Ampalo | : | (Ski) a.: ftivotra avy any andrefana.
Ahitsio |
Ampaly | : | a.: Haro madinidinika misy raviny maraorao ka ampiasaina ho fanadiovana, fandamana na fandambolamboana zavatra, toy ny hazo.
Ahitsio |
Ampamaky | : | a.: Anaran-karatra
Ahitsio |