Litera V

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Voasaotra: Sinaotra a.: Entimilaza ny vehivavy vady napetraka tsy ho vady intsony. 1 Nankasitrahana. tohiny
Voasarimakirana: a.: Karazan voasary, kely noho ny voasarimamy ny habeny ary marikivy ny tsirony. tohiny
Voasarimamy: na Laoranjy (fr. orange) a.: Karazam-boasary mamy be ranony. tohiny
Voasarimandina: a.: Karazana voasary, mandina malambolambo ny hodiny fa tsy mba marokoroko. tohiny
Voasarinikalavola: a: Karazankazo madinidinika (Crotalaria Spinosa). tohiny
Voasary: a.: Anarana iombonana iantsoana ireo karazamboankazo salasalany, ny voany mavomena, ohatra ny totohondry…tohiny
Voasokera: p.t.: Voahodidina tsy afa-milefa. tohiny
Voatabiha: a: Zavamaniry, ny voany menamena malemy, fanao fangaron-daoka matsiro. tohiny
Voatama: (Btm) a.: Anaramboankazo. tohiny
Voatango: a.: Karazam-boatavo, lavalava ny endriny, misy voa anatiny, voankazo otazana rehefa matoa sy manitra…tohiny
Voatangombazaha: a.: Karazam-boatavo lavalava voa fanao fangaron-daoka matsiro no azo atao salady koa (fantatra indrindra…tohiny
Voatangondolo: a.: Karazana voatango dia. tohiny
Voatavo: a.: Anarana iombonana ilazana karazan-javamaniry fihinam-boa fanao fangaron-daoka izay toy izao ny toetoetrany:…tohiny
Voatavoarivolahy: a: Karazamboatavo kelikely, teritery ny afovoany ary fanao fitoerandrano rehefa nalana ny atiny ka nomainina.…tohiny
Voatavobozaka: a.: Karazamboatavo lehibe fihinana, tsara tsiro. tohiny
Voatavofotsy: na Voatavohova a.: Karazam-boatavobozaka fasian-drano. tohiny
Voatavokarandoha: a: Karazana voatavobozaka, mafy dia mafy ny hodiny. tohiny
Voatavomenaka: a.: Karazana voatavoarivolahy fana fitoera-menaka tohiny
Voatavomonta: a.: Karazana voatavobozaka mangidy ka tsy fihinana, fa ataon'ny olona siny rehefa afaka ny ao anatiny.…tohiny
Voatavompe: a.: Ny faritra ambany fenofeno mivohitra amin'ny fe. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1829