Litera T

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Takarina: (takatra) mt. ih. (takaro): Ezahina tratrarina amin'ny tanana: Takaro kely io sary hitsinao io. tohiny
Takariva: a. na p. mt.: Amin' ny harivariva efa madiva ho alina na maizimaizina: Ho-mana takariva izahay. Takariva…tohiny
Takaroka: a.: Kitapo hoditr' omby. tohiny
Takasina: a.: Boribory lavalava sahala amin'ny fanoto. tohiny
Takataka: p. t.: Lava marotsaka, kely lava. - t.i.f.: Mitakataka. tohiny
Takatra: t. ih.: Tratran'ny tanana, azon'ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin'io…tohiny
Takatra: a.: Voronamitovitovy habe amin'ny vantotr'akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan'ny lohany…tohiny
Takatsihina: (takatsika) mt. ih. (takatsiho): Fitahina amimpiraisan-tetika. tohiny
Takatsika: a.: Fisolokiana hamitaka na hangalatra; fitaka; fahaiza-mifetsy hamandrika na hanoro vohony. - t.i.f.:…tohiny
Take: (Ski) a.: Hazo amehezana ny ladirisy eo am-pototry ny andrin'ny botry na ny sambolay. tohiny
Takelajozoro: na Takelaka a.: Zozoro maro nalahatra dia notevehina bararata kely lava na fantaka mba hampitambatra…tohiny
Takelaka: a.: Zavatra fisaka ary manify mielakelaka. ? Tahon-jozoro tohitohizina amin'ny fantaka ampiasaina hatao…tohiny
Takembo: (Tsm) a.: Bosoa fanao amin'ny fintana. tohiny
Takemotra: ft.: Fiverenana tsy mandroso, noho ny henatra na tahotra; hem otra. • t. t. f.: Mitakemotra, fitakemotra,…tohiny
Taketrana: na Takaitrana p.t.: Misy takaitra, misy tsininy, misy kilemany: Taketrana ity hazo ity fa misy tonony.…tohiny
Takiba: na Takibaka a.: Ny ilany amin'ny kibo, ny faritra eo anelanelan'ny taolantehezana farany ambany sy ny…tohiny
Takibahana: (takibaka) mt. ih. (takibaho): Asiana na tevehina eo amin'ny takibaka. tohiny
Takibaka: a.: Jer. Takiba. tohiny
Takiboka: a.: Fano (rano na rivotra hidiana tsy afa-mivoaka), enti-milaza vay feno na-na, efitrano hipoka olona.…tohiny
Takidiarana: a.: Kibo be; kibo mandroso be, mirotarota. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037