Sasanangy | : | a.: Ampahatelon' ny ariary taloha, izany hoe lasiray sy kirobo sy lavoamena (1Fr 60). - F.-p.: Sasanangy samy ha-fa: enti-milaza karazan-javatra roa tsy mitovy ka tsy azo ampitahaina.
Ahitsio |
Sasarina | : | (sasatra) mt, ih. (sasaro): Atao izay hahasasatra: Aza sasarinao amin'ny hazakazaka ny zanako.
Ahitsio |
Sasasasa | : | a.: Feon'ny orana avy na ny rano mandeha haingana amin'ny fikorianany. - t.i.f.: Misasasasa, fisasasasa.
Ahitsio |
Sasatra | : | p. t.: Mahatsiaro ny te-na ho tsy manan-kery, noho ny asa mafy natao: Sasatry ny asa tany Rakoto ka vao tonga dia nidaboka. ? Sosotra: Sasa-miandry azy aho. Ter. Valaka. — 1 t.i.f.: Sasarina, voasasatra, sinasatra / manasatra, fanasatra, mpanasatra / anasarana, fanasarana 1 misasatra, fisasatra, mpisasatra / mahasasatra / sasatsasatra / hasasarana, fahasasarana.
Ahitsio |
Sasina | : | (sasy) mt. ih. (sasio): Asiana sasiny: Aza sasina ny resaka, raondriana.
Ahitsio |
Saso | : | a.: Safosafo malefaka, teny mamy fanojikojena, fitsapana ny hevitry ny sasany. - t.i.f.: Sasoina, asaso, voasaso, sinaso 1 misaso, fisaso, mpisaso 1 isasoana, fisasoana 1 mahasaso / sasosaso.
Ahitsio |
Sasoina | : | (saso) mt. ih. (sasoy): Angolena, kojikojena.
Ahitsio |
Sasy | : | a.: Jer. Raloba.
Ahitsio |
Sasy | : | a.: Fanaovana kely mialoha sahady izay atao, ho fanomanana sy fandantolantoana: Aza be sasiny rehefa hiteny, fa avy hatrany dia vantano. 6 Sasina, asasy, voasasy, sinasy 1 misasy, fisasy, mpisasy 1 isasiana, fisasiana. - F.-p. : Sasin-ten y: teny mialoha, ala saron-teny. J Sasinkira: feo-mozika mialoha ny tena hira. J Sasin-tehaka: tehaka sy feo tsy misy tonony, alohan'ny hanombohana ny hira na dihy. ¶ M.h.: Sasin-teny, teny mialoha, tari-dresaka, vaky saron-teny, sava lalana, sava ranonando, tsetsatsetsa tsy aritra, famahavahandresaka, ala saron-teny.
Ahitsio |
Sasy | : | a.: Rira fiandrasam-paty. ¶ M. h.: Bazeha, raloba.
Ahitsio |
Sata | : | a.: Fomba, fanao efa rai-}titra ela, fomban-drazana: Sata samy manana, ka aoka tsy hisy hifanaratsy. ? Didy na baiko: Tanin'andriana tian-konenana, ary satan'andriana tsy harahina? • Zo: Tamin'ny taona 1960 no niverenan'ny satan'i Madagasikara. - t.i.f.: Satasata, tafasatasata, mpisatasata 1 misatasata, fisatasata 1 isatasatana, fisatasatana j mahasatasata.
Ahitsio |
Satana | : | (fr. satan) a.: Ny demony.
Ahitsio |
Satasata | : | a.: Fiavonavonana, fianjonanjonana.
Ahitsio |
Satokoa | : | (Atm) a.: Fefy famandriham-biby tokana; raha vao tafiditra ao ny biby, dia milatsaka ny hidiny ary dia mihinana ny hanim-pandrika napetraka ao ilay biby (mangahazo no hanim-pandrika ho an'ny lambo).
Ahitsio |
Satrahana | : | a.: Fakan-kazo fisaka fanao ampinga na sahafa. • Ireo zavatra fisaka roa boribory izay manosika ny rivotra amin'ny tafoforan'ny mpanefy.
Ahitsio |
Satrana | : | a.: Feon-kira fohifohy atao ho toy ny andrana na sasin-kira raha mitendry lokanga na valiha: Satram-baiiha. - t.i.f.: Satranina, satranana, voasatrana 1 manatrana, fanatrana, mpanatrana ( anatrahana, fanatrahana 1 misatrana, fisatrana, mpisatrana / isatranana, fisatranana J mahasatrana 1 satrantsatrana. - F.-p.: Satram-bauiny: ny ilan'ny langorony izay pehina fotsiny amin'ny tanana an-kavia. J Satran-dahiny: ny ilan'ny langorony izay pehina amin'ny fivelezana.
Ahitsio |
Satrana | : | a.: Karazan-kazo izay fisaka misandrahaka ny raviny, anaovan'ny olona trano itoerana sy rariny ho tsihy na harona.
Ahitsio |
Satranina | : | na Satranana (satrana) mt, ih. (satrano): (zavamaneno) Andramana alohan' ny hanomboka. • Asiana satrana.
Ahitsio |
Satrasatra | : | a.: Fiainana misefosefo sahala amin'ny voan' ny sohihina; fiainana sempotra sy tery raha miaina, sady mananosarotra. - t.i.f.: Misatrasatra, fisatrasatra, mpisatrasatra / isatrasatrana, fisatrasatrana.
Ahitsio |
Satria | : | ppt. feh.: Enti-milaza antony nahatonga zavatra iray: Narary izy satria nihinam-boankazo manta.
Ahitsio |