Sabora | : | Mitovy amin'ny Jabora.
Ahitsio |
Sabotraka | : | a.: Ahitra maniry any anaty rano, fanao rary tsihy na harona na satroka.
Ahitsio |
Sabotrehina | : | (sabotrika) mt. ih. (sabotreho): Mbombana tsara, kobonkobonina fatratra, rotsirotsina.
Ahitsio |
Sabotrika | : | ft.: Asa ataon'ny reny mambomba na mandrotsirotsy na manolokolo ny zanany. - t.i.f.: Sabotrehina / manasabotrika, fanasabotrika, mpanasabotrika / anasabotrehana, fanasabotrehana 1 misabotrika, fisabotrika, mpisabotrika / isabotrehana, fisabotrehana 1 mahasabotrika 1 sabotribotrika.
Ahitsio |
Sabotsy | : | na Asabotsy (izaymarimarina kokoa) a.: Andro fahenina amin'ny herinandro, manaraka ny zomà ary mialoha ny alahady; andin fahatelo kosa izy teo amin' ny ntaolo malagasy.
Ahitsio |
Sada | : | p. t.: Enti-milaza loko roa volo ka ny iray fotsy: Sa-da mainty: fotsy sy mainty; soda mena: fotsy sy mena. * Ohab.: Vangauanga mana-na endrika, sadasada manantsoratra: enti-milaza olona tsy dia marin-toetra loatra (lazaina hoe sada roa volo, nefa manan-tsoratra betsaka lavitra).
Ahitsio |
Sadaika | : | na Sadaikatra p. t.: Misalasala sy mihazohazo eo am-panaovan-javatra na eo am-pitenenana, sanganehana: Sadaikatra aho ity fa handroso, maty raibe, hihemotra maty renibe. • TsY mahita izay hatao, misalasala noho ny henatra na tahotra: Sadaikatra aho hiteny eo imason'ireo olona betsaka ireo. - t.i.f.: Mahasadaikatra.
Ahitsio |
Sadaka | : | Sadakadaka p. t.: Jar. Dakadaka.
Ahitsio |
Sadakely | : | a.: Angaka madinika.
Ahitsio |
Sadalefitra | : | (angl. side left) a.: Baiko-miararnila enti-milaza manendro havia.
Ahitsio |
Sadaraitra | : | (angl. side right) a.: Baiko-miaramila enti-milaza manendro havanana.
Ahitsio |
Sadia | : | na Sadika a.: Salaka; lamba nahodidina ny valahana dia natao toy ny salaka. i t.i.f• : Sadikaina, asadika, voasadika, tafasadika 1 manasadika, fanasadika, mpanasadika / anasadikana, fanasadikana 1 misadika, fisadika, mpisadika / isadikana, fisadikana 1 mahasadika / sadikadika.
Ahitsio |
Sadiadiaka | : | a.: Lamba natao tamin'ny rofia vaventiventy.
Ahitsio |
Sadikaina | : | (sadika) mt. ih. (sadikao): Hodidinina (lamba) ny valahana.
Ahitsio |
Sadoda | : | na Sadodo (BU) a.: Ombikely botrefona.
Ahitsio |
Sady | : | Sady... No ppt.: Ary koa: Tsara sady mafy ity hazo ity. / Sady tsara no mafy ity hazo ity. • Fanampin' izany, tsy izany ihany fa...: Mahafinaritra ahy ny uolon' io hazo io, sady mora ny uid in y.
Ahitsio |
Safaray | : | a.: Laharan-tsikidy fahadimy ambin'ny foin ka ny heviny dia "lalana".
Ahitsio |
Safarina | : | (safary) mt. ih. (safario): Asiana safary, asana olakola-teny mba hanalavana taris na hanarinariana dia: Aza safarinao amin'ny ohabolana sy hain-teny ny resaka, Randrenja a (Kilalaon' afo — R.R.-R).
Ahitsio |
Safary | : | a.: Teny misafelipelika handroboana ny sasany; olakola-teny mba hanalavana ta-ria: Aza be safary eo ianao fa izay heuitrao ambara. - t.i.f.: Safarina, asafary, voasafary 1 misafary, fisafary, mpisafaxy 1 isafariana, fisafariana / mahasafary / safarifary. - F.-p.: Tia ihany ka be safary: miolakolaka ohatra ny mody tsy tia, kanefa tia fatratra. ¶ M. h.: Saroro.
Ahitsio |
Safatsiroa | : | p. t.: (isa fa tsy roa): Tsy manam-paharoa, tsy misy toa azy, ka enti-milaza hatsarana na haratsiana mihoatra noho ny hafa: Safatsiroa ny hakingan'ilay olona nandeha teo ambony tacts,.
Ahitsio |