Sakiakia | : | p. t.: Falifaly, miramirana, sariadriaka.
Ahitsio |
Sakivy | : | na Sakoivy a.: Toetra voalohany ananan'ny voangory raha vao foy izy, alohan'ny hiofoany ho monany: biby lavalava kely fotsifotsy mora mikarainkona. (Misy karazany telo ny sakivy: a) ny kely madinika izay miofo ho voangorimbaratra; b) ny salasalany, miofo ho voangorifotsitapaka; d) ny makadiry miofo ho voangoribe. — Rehefa mby lehibebe an-katoky ny hiofo ho monany ny sakivy, dia omena ny anarana hoe Rangahy).
Ahitsio |
Sakoa | : | a.: Hazo fihinam-boa (Spondias Cythoerea).
Ahitsio |
Sakoa | : | na Sakoizay tp.: Teny fanakorana ny voa, toy ny milaza hoe "tsara izay!": Nianjera ny anao, sakoizay! kevokevoka loatra.
Ahitsio |
Sakobona | : | na Sakoboka a.: Fitondrana zavatra afenina anaty lamba fatratra; fandrakofana ao anaty lamba, fanafenana ny tena ao anaty firakotra. - t.i.f.: Sakobonina, asakobona, voasakobona, tafasakobona / manasakobona, fanasakobona, mpanasakobona / anasakobonana, fanasakobonana / misakobona, fisakobona, mpisakobona / isakobonana, fisakobonana / mahasakobona /sakobonkobona.
Ahitsio |
Sakobonina | : | (sakobona) mt. ih. (sakobony): Entina, afenina ao anaty lamba: Nosakoboniny ny voankazo uao notazany mba tsy hangatahin'ny namany. ? Saronana ao anaty lamba: Sakobony tsara ny marary eo am-pitondrana azy ho ao anaty fiara sao uoan'ny rivotra.
Ahitsio |
Sakobonkomana | : | a.: Karazamboronan-drano izay toa miafina ao anaty elany izy rehefa mihinana trondro kely, sahona, dinta...
Ahitsio |
Sakoda | : | a.: Kilalao fanaon'ny ankizivavy kely: mitorovoka amin'ny voditongony izy dia mitsambikina mova tsy ny sahona, sady mihirahira no mandon-tratra.
Ahitsio |
Sakodiavatra | : | p. t. : Misalasala tsy mahita izay hatao eo anatrehana toe-javatra manahirana na tonga tampoka. ¶ M.h.: Vaka, sanganehana, saikatra.
Ahitsio |
Sakodina | : | a.: Fivoivoizana, fandehanana ats? sy ar?; fivezivezena betsaka. - t.i.f.: Misakodina, fisakodina.
Ahitsio |
Sakody | : | a.: Karazan-tsifo-dranomasina.
Ahitsio |
Sakoerana | : | (sakoitra) p. t.: Fe-no sakoitra, na misy sakoitra.
Ahitsio |
Sakohaza | : | a.: Karazanabibikely. ? h.o.: Mahia dia mahia, mahia kaozatra.
Ahitsio |
Sakoitra | : | a.: Karazana kankana mivelona ao anaty tsinain'ny biby lehibebe sy ny olombelona; misy karazana roa ny sakoitra: ireo avy amin'ny hen'omby ary ireo avy amin' ny henan-kisoa; mety hahatratra valo metatra ny halavan'ny sakoitra ary mety hiteraka aretina amin'ny lalankanina na mamely ny hozatra. - t.i.f.: Sakoerana.
Ahitsio |
Sakoko | : | p. t.: Jer. Takoko.
Ahitsio |
Sakondry | : | (Btm) a.: Bibikely marani-doha mipetraka amin'ny vahy sasantsasany, toy ny tsidiny na ny kalamaka.
Ahitsio |
Sakondry | : | a.: Karazana famakiloha.
Ahitsio |
Sakonohina | : | (sakonoka) mt. ih. (sakonohy): Entina afenina ao anaty lamba.
Ahitsio |
Sakonoka | : | a.: Karazana kapaoty. - t.i.f. : S akonohina, asakonoka, voasakonoka / misakonoka, fisakonoka, mpisakonoka / isakonohana, fisakonohana / mahasakonoka / sakonokonoka.
Ahitsio |
Sakoririka | : | a.: Tandroky ny bibikely.
Ahitsio |