Litera R
Rakotra: a.: Zavatra atao eo ambony zavatra hafa mba tsy hahitana azy na hiarovana azy: Rako-pandriana. ¶ M.h.:…tohiny
Ralia: (fr. rallye) a.: Fifaninanan'olona mandeha an-tongotra na fifaninanan'aotomobilina izay tsy maintsy…tohiny
Raloba: a.: Karazana korintsana vita amin'ny sampan-drofia (baobao na bao fombo) norarina ho vata kely fisaka…tohiny
Ramadany: (ar. ramadana) a: Volana fahasivy amin'ny kalandrie miziolimanina ifadian'ny Silamo hanina, ka isan'…tohiny
Ramahavalia: a.: Karazan-javamaniry fanao ody mosavy na vorika.
tohiny
Ramaka: a.: Anaran'olo-nalaza fahiny ho mpandoro trano. * Fiten.: Nandalo Ramaka ka may ny tanàna.
tohiny
Ramanakofa: a.: Hazo fanao ody farasisa.
tohiny
Ramanamango: a,: Anarana no-mena ny tangena ampiasaina amin'ny fampinomana.
tohiny
Ramandraotra: a.: Anaram-panafody tranainy.
tohiny
Ramanenjana: a.: Anaran'aretina hafahafa mampienjika sy mampanao fihetsehana isankarazany, mitovy amin'ireo fantatra…tohiny
Ramangorona: a.: Biby be misambotra ary mandentika any anaty rano araka ny voalazan'ny angano. ? Zavamaniry madinika…tohiny
Ramanjavona: a.: Zavamaniry mandadina.
tohiny
Ramanjeona: a.: Anaram-borona (Nectarinia angladiana).
tohiny
Ramanjerika: a.: Anaram-borona (Terpsiphone mutata).
tohiny
Ramarama: a.: Fisasasasana, famindra avy dia misosososo. ? Fitondrana haingo maro be lafo vidy. - t.i.f.: Ramaramaina,…tohiny
Ramaramaina: (ramarama) mt. ih. (ramaramao): Haingoina mihoa-pampana.
tohiny