Rakotra | : | a.: Zavatra atao eo ambony zavatra hafa mba tsy hahitana azy na hiarovana azy: Rako-pandriana. ¶ M.h.: Saron. • Vato fisaka lehibe izay narakotra ny loaka azo nidirana tao antampon'ny vavahady taloha raha nikodiavana kodiarambato lehibe izay natao hidiny ny vavahady. - t.i.f.: Rakofana, arakotra, voarakotra, tafarakotra I mandrakotra, fandrakotra, mpandrakotra / andrakofana, fandrakofana / mirakotra, firakotra, mpirakotra / irakofana, firakofana / maharakotra I rakodrakotra. - F.-p.: Lamba firakotra: lamba matevina irakofana rehefa matory amin'ny alina. / Rako-bata: varavarana mikatona ho azy toy ny tsatoka. / Rako-pandriana: lambampan driana. * Ohab.: Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala: ilazana zava-tsoa tsy misy mpiaro ka tonga baranahiny: samy mivantana ao daholo ny olon-drehetra.
Ahitsio |
Ralia | : | (fr. rallye) a.: Fifaninanan'olona mandeha an-tongotra na fifaninanan'aotomobilina izay tsy maintsy tonga amin'ny toerana iray voatondro rehefa avy nandia fitsapana maromaro.
Ahitsio |
Raloba | : | a.: Hira fanao amin' ny fiandrasam-paty any anindran-tany. ¶ M,h.: Sasy, baheza.
Ahitsio |
Raloba | : | a.: Karazana korintsana vita amin'ny sampan-drofia (baobao na bao fombo) norarina ho vata kely fisaka misy tahony efatra ihazonana azy; asiana voa madinika ao anatiny (ny any amin' ny faritany avaratra sy atsinanana ary Sainte-Marie no mampiasa azY).
Ahitsio |
Ramadany | : | (ar. ramadana) a: Volana fahasivy amin'ny kalandrie miziolimanina ifadian'ny Silamo hanina, ka isan' andro hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, dia tsy mihinana na inona na inona izy ireo mandritra an'io iray volana io.
Ahitsio |
Ramahavalia | : | a.: Karazan-javamaniry fanao ody mosavy na vorika.
Ahitsio |
Ramaka | : | a.: Anaran'olo-nalaza fahiny ho mpandoro trano. * Fiten.: Nandalo Ramaka ka may ny tanàna.
Ahitsio |
Ramamonjy | : | a.: Zavamaniry fanao fanafody.
Ahitsio |
Ramanakofa | : | a.: Hazo fanao ody farasisa.
Ahitsio |
Ramanamango | : | a,: Anarana no-mena ny tangena ampiasaina amin'ny fampinomana.
Ahitsio |
Ramandraotra | : | a.: Anaram-panafody tranainy.
Ahitsio |
Ramanenjana | : | a.: Anaran'aretina hafahafa mampienjika sy mampanao fihetsehana isankarazany, mitovy amin'ireo fantatra any anindran-tany amin'ny anarana hoe: aretinan drianan ahary, tromba, menabe, bilo.
Ahitsio |
Ramanga | : | a.: Tanimena atao fanafody maso.
Ahitsio |
Ramangorona | : | a.: Biby be misambotra ary mandentika any anaty rano araka ny voalazan'ny angano. ? Zavamaniry madinika izay raha vao voatohina dia mihorona. ¶ M.h.: Mihoronkorona, modimodia, kelimanjakalanitra, ambatofotsikely.
Ahitsio |
Ramanjavona | : | a.: Zavamaniry mandadina.
Ahitsio |
Ramanjeona | : | a.: Anaram-borona (Nectarinia angladiana).
Ahitsio |
Ramanjerika | : | a.: Anaram-borona (Terpsiphone mutata).
Ahitsio |
Ramarama | : | a.: Fisasasasana, famindra avy dia misosososo. ? Fitondrana haingo maro be lafo vidy. - t.i.f.: Ramaramaina, tafaramarama, voaramarama / miramarama, firamarama, mpiramarama / iramaramana, firamaramana 1 maharamarama.
Ahitsio |
Ramaramaina | : | (ramarama) mt. ih. (ramaramao): Haingoina mihoa-pampana.
Ahitsio |
Ramatana | : | (ramatra) mt. ih. (ramato): Kaikerina mafy amin'ny nify; iadiana.
Ahitsio |