Nantsonantsonina | : | (nantsonantsona) mt, ih. (nantsonantsony): Ilazana ny zavatra mahabasivava, pentsompentsonina:Inona no nantsonantsonin'iny uehivauy iny tao amin'ny fiuoriana?
Ahitsio |
Nany | : | Inany p. mt.: Injay, enti-manondro olona efa nandrasana ka re any ho any ny feony alohan'ny hisehoany.
Ahitsio |
Nany | : | na Nanimbovo a.: Ilay zavatra boribory kitsoloha eo amin'ny vavan'ny vovo, natao mba hahazoan'ny trondro miditra tsara ao anatiny. ¶ M. h.: Tanam-bovo.
Ahitsio |
Nao | : | s.o.: Jer. Inao. -Nao, -Ao s.o.: Mpisolo anarana fanao tovana entina misolo ny olona iresahana raha tokana: Sasao ny Iohanao sy ny tongotrao. / Rahouiana no ho vitanao ity raharaha ity?
Ahitsio |
Naomba | : | (angl. number) a.: Teny enti-milaza filaharana a= min'ny zavatra maro tanisai-na; nomerao na laharana fa-ha- no fampiasa sy fiteny ankehitriny.
Ahitsio |
Naonaona | : | a. : Antsoantson'olona na biby toa mitaraindraina mitomany mafy. * t.i.f. : Tafanaonaona / minaonaona, finaonaona, mpinaonaona / inaonaonana, finaonaonana / mahanaonaona.
Ahitsio |
Naotra | : | Ranaotra a.: Teny iantsoana ny vadin'ny iray tampo amin'ny tena, zaobavy na zaodahy: Aoka re, ry naotra, hataoko io fa sahirana ianao.
Ahitsio |
Naoty | : | (fr, note) a.: Isa entimilaza ny fanombanan'ny mpampianatra ny fahaizan' ny mpianatra: Nahazo naoty 14 aho tamin'ny fizika. ? Famantarana fampiasa amin'ny mozika hilazana ny feo sy ny faharetany: Ny naoty do, mi, sol dia tsara miaraka.
Ahitsio |
Napake | : | (Msk) a.: Firombaka misy faraingo.
Ahitsio |
Nara | : | a.: Hatsiaka, fahatsiarovana hatsiaka. * t.i.f.: Manara, manaranara. ? F.-p.: Saro-nara: sarotin-katsiaka. -Nareo, -Reo: Mpisolo anarana misolo olona fanao tovana, entina misolo ny olona iresahana raha maro: Hoy Rakoto tamin'izy mirahalahy: "Aiza no misy ny tranonareo, ny vohitrareo?
Ahitsio |
Nato | : | a.: Karazan-kazo izay nakan'ny ntaolo loko mena nandokoana lambamena ny hodiny (Imbrecaria madagascariensis). - t.i.f.: Natoina, voanato / manato, fanato, mpanato / anatoana, fanatoana. * Ohab.: Mitondra hodi-nato miantsinanana: mitondra zavatra amin'ny toerana nialany teo aloha ihany (ny nato mantsy avy any an'ala atsinanana ihany).
Ahitsio |
Natoina | : | (natal mt. ih. (natoy): Nolokoana tamin'ny hodinato.
Ahitsio |
Nave | : | (fr. navet) a.: Karazan' anana vazaha mamody fotsy.
Ahitsio |
Navoaka | : | Jereko [voaka], nesorina avy ao anaty, natao any ivelany Ahitsio |
Nay | : | t.p.: Tapaka farany amin'ny teny hoe "Inay", enti-milaza nenina amin'ny nanaovana na tsy nanaovana zavatra iray efa lasa, na faniriana manao dia mianotra momba ny toe-javatra efa raikitra: Nay aho tsy nahalala iny olona iny na ouiana na ouiana! ¶ M.h.: Toy izay, tahaka izay. -Nay, -Ay: Mpisolo anarana misolo olona fanao tovana, entin'ny olona maro milaza izay azy na izay ataony, tsy iombonany amin'ny olona iresahany: Tranonay, uohitray. / Aza matahotra ianao fa vitanay telo lahy io.
Ahitsio |
Ndao | : | na Andao mt.: Teny ampiasaina mba hitaomana ny olona hiara-mandeha amin'ny tena: Andao, ndao hifanala hazakazaka isika, hoy ny sokatra tamin'ny bitrodia der. 'Ndeha).
Ahitsio |
Ndaty | : | (Ski) a.: Tovolahy, lehilahy, goana. 'Nde, 'Ndeha na Andeha rat.: 1) Ndeha sy Andeha: a) mampanao asa olona, mitovy amin'ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy. b) Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin'ny tena izay miteny: 'Ndeha hiaalao amin'izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin'ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin'ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy). 2) Ndeha sy Nde: entina milaza asa na fisehoanjavatra mifanindry amin'ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka (na nde hivoaka) ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana.
Ahitsio |
Nday | : | Jer. Inday.
Ahitsio |
Ndondo | : | na Ndondona p. t.: Mandroso anoloana ambo--ny: Ndondon-kandrina iny lehilahy iny. - t.i.f.: Mandondona, fandondona, mpandondona / ndondondondona. - F.-p.: Vato mandondona: vato mandroso mitatao eo ambony. * Ohab.: Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora vato mandondona ka tsy fantatra izay ho lasa aloha: na ny antitra na ny tanora, dia mety hindaosin'ny fahafatesana daholo, fa tsy misy hoe "Iretsy tsy maintsy lasa aloha na irery lasa aoriana".
Ahitsio |
Ndrafanga | : | p.i.: Efatra (amin' ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha rehefa mianatra manisa hatramin'ny folo), jer. Ingisa.
Ahitsio |