Litera M
Mimolotra: (molotra) mt. s.: Manamboamboatra ny molotra toy ny zaza te hitomany, ohatra ny midongy.
tohiny
Mimonjomonjo: (monjomonjo) mt. s. (mimonjomonjoa): Mingonongonona noho ny tsy fahafaliana na hatezerana, tsy mahaloa-peo.…tohiny
Mimonjotra: (monjotra) mt. s. (mimonjora): Midongy, tsy faly.
tohiny
Mimontotra: (montotra) mt. s. (mimontora): Mandondona; tezitra.
tohiny
Mimontsona: (montsona) mt s. (mimontsona): Manabontsina takolaka, manao feno vava.
tohiny
Mimpirina: (ampirina, mpirina) mt. s.: Milamina, milahatra, voapetraka tsara amin'ny toerany avy ny zavatra rehetra:…tohiny
Minahonahona: (nahonahona) mt. s.: Mitavozavoza, mivoravora, mitahontahona.
tohiny
Minaikanaika: (naikanaika) mt. s. (minaikanaikà): Miteny na manao zavatra amim-panaovana mosalahy, amin-kasahiana…tohiny
Minainaina: (nainaina) mt. s.: Mimenomenona fatratra, mitaraindraina sy midradradradra.
tohiny
Minamonamona: (namonamona) mt. s.: Asa fanaon'ny ankizy milalao izay sady mitsako no mihirahira.
tohiny
Minananana: (nananana) mt. s.: Mikiakiaka, mihoakoaka, midradradradra. ¶ M.h.: Miantsoantso,mikiakiaka, mihoakoaka,…tohiny
Minantsanantsana: (nantsanantsana) mt. s.: Miteny somary mikiaka amim-pahatezerana, maneno mikarantsandrantsana: Ninantsanantsana…tohiny
Minantsonantsona: (nantsonantsona) mt. s.: Mibedibedy lavareny, mipentsompentsona.
tohiny
Minaonaona: (naonaona) mt. s,: Mitaraindraina, mitomany valala.
tohiny
Mindrana: (indrana) mt. s. (mindrama): Mangataka zavatr' olona mba hanaovana na hampiasaina vetivety fa haverina…tohiny
Mindro: ft.: Fitaninana afo mba hafana. Mamindro, famindro, mpamindro / amindroana, famindroana.
tohiny
Minehaneha: (nehaneha) mt s.: Manao fiteny na fihetsika feno rehareha.
tohiny