Litera M

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Manasabodika: (sabodika) mt. p. (manasabodeha): Mampifangaro na mampifandiso ny teny na ny zavatra atao, manasari…tohiny
Manasabotrika: (sabotrika) mt. p. (manasabotre ha) : Mambomba, mandrotsirotsy. tohiny
Manasadika: (sadika) mt.p. (manasadikà): Manao (zavatra) mihodidina ny valahana toy ny salaka. tohiny
Manasafelika: (safelika) mt.p. (manasafeleha): Manolana, manao izay hihodidinan'ny zavatra iray fa tsy handehanany…tohiny
Manasafofoka: (fofoka) mt.p. (manasafofoha): Manjera. tohiny
Manasafontina: (safontina) mt. p. (manasafontena): Mampisafotofoto, mampisavorovoro, mampisaritaka. tohiny
Manasafotofoto: (fotofoto) mt. p. (manasafotofotoa): Manakorontana sy mampifangaroharo: Iza no nanasafotofoto ity kofehy…tohiny
Manasafy: (safy) mt.p. (manasafia): Manampy, mameno (lamba) amin'ny akanjo atao sosony. tohiny
Manasaha: (asaha) mt.p.: Ma-n omp a. tohiny
Manasahonaka: (honaka) mt.p.: Mamonto. tohiny
Manasaika: (saika) Mt P. (manasaiha): Manasoka (zavatra) ao anaty rano mba hakana rano. tohiny
Manasaka: (sasaka) mt.p.: Mizara roa mitovy tsara: Tsy haiko ny manasaka ity uoatavo ity. ~ Eo am-povoany tsara:…tohiny
Manasalobona: (salobona) mt. p.: Manarona olona na zavatra amin'ny lamba. tohiny
Manasalotra: (salotra) mt.p.: Manantona (zavatra, lamba) eny am-bozona. tohiny
Manasaly: Manasalisaly (saly) mt.p. (manasalisolia, manasalia): Mametraka zavatra (hena...) vetivety eo ambony…tohiny
Manasamaka: (samaka) mt.P. (manasamaha): Mamaky, manataka, mampiveraka hisaraka roa. tohiny
Manasamboady: (samboady) mt.p. (manasamboadia): Mametraka samboady eo ambony soroka. tohiny
Manasamboaravoara: (samboaravoara) mt.p.: Mampitroatra, mampitambolimbolina. ~ lao.: Mahatezitra, mahatonga ho romotry…tohiny
Manasamboritra: (samboritra) mt.p. (manasam borita) : Manodidina lamba ny valahana mafy. tohiny
Manasampina: (sampina) mt. p. (manasampina): Manipy ny tendron'ny lamba iray ho eo ambony soroka. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0297