Kasikety | : | (fr. casquette) a.: Karazan-tsatro-bory misy mandroso kely eo anoloana.
Ahitsio |
Kasimba | : | a: Zavamaniry misy tsilotsilony.
Ahitsio |
Kasioke | : | (Ski) a: Karazan'an tsantsa madinika.
Ahitsio |
Kasiterola | : | (fr. castrol) a: Fanaka fandrahoana, fisaka, misy tahony, ampiasaina hanendasana.
Ahitsio |
Kasoa | : | a: Karazan'aretina mampirediredy ary mahadaladala, heverin'ny olona ho fahavoazan'ny saina noho ny aretim-pitiavana: Voan'ny kasoa, mararin'ny kasoa Ikala anona io.
Ahitsio |
Kasohina | : | (kasoka) mt. ih. (kasohy): Kasihina dia kosehina; safoina: Nokasohina sauoka ny ngorodona
Ahitsio |
Kasoka | : | a: Fisafoana mandalo dia izay, kasika. - t.i.f: Kasohina, akasoka, voakasoka, kinasoka / manakasoka, fanakasoka, mpanakasoka / anakasohana, fanakasohana / mikasoka, fikasoka, mpikasoka / ikasohana, fikasohana / mahakasoka / kasokasoka / mikasokasoka, fikasokasoka. - F.-p.: Samy afa-kasoka izao isika: teny enti-milaza fa tsy misy zavatra mifandrohirohy intsony amin'ireo olona mifampiresaka I Tsy manan-kasoka amin'izany a-ho: tsy misy mikasika ahy ny raharaha, sady tsy ahy rahateo.
Ahitsio |
Kasoka | : | a: Vary masaka haroharoina ao anaty vilany vy misy menamenaka avy nandritan-kena, ka afangaroharo ao ho vonto.
Ahitsio |
Kasy | : | sy Kasikasy p. t.: Tiatia haingo, jejojejo, mpihambohambo: Kasikasy io zanakao lahiaiuo io. - t.i.f.: Akasy, akasikasy 1 mikasikasy, fikasikasy, mpikasikasy / ikasikasiana, fikasikasiana 1 mahakasy, mahakasikasy.
Ahitsio |
Kataikana | : | p.t.: Mahiahia kinga, pintsana kely fa mailamailaka
Ahitsio |
Katakata | : | a: Anarana ilazan' ny Sakalava ny akondro.
Ahitsio |
Katapilasy | : | na Petakilasy (fr. cataplasme) a: Zavatra ma-fana apetapetaka amin'ny faritra marary amin'ny tena mba hampahalemilemy na handevona ny mivonto.
Ahitsio |
Katedraly | : | (fr. cathédrale) a: Fiangonana katolika lehibe misy eveka.
Ahitsio |
Katekista | : | na Katesista (fr. catéchiste) a: Mpampianatra katesizy.
Ahitsio |
Katesizy | : | (fr. catéchisme) a: (Fiv. kat.) Fampianarana ny fotopototry ny finoana kristianina. Boky kely misy ny fotopototry ny fampianarana sy fitsipi-pitondran-tena kristianina.
Ahitsio |
Kateta | : | na Katita p. t.: Kely be hatsikana, mpandaingalainga kely.
Ahitsio |
Katibo | : | (Atm) a.: Olona mpitahiry sy mpitandrina ny sorabe, ka olona mahay mamaky sy manoratra izy io a• ry fantatra marina ny mahataranak'Arabo azy marindrano.
Ahitsio |
Katirijy | : | (angi, cartridge) a.: Faham-basy, karitosy.
Ahitsio |
Katita | : | p. t.: Kalita, tsy azo itokiana loatra fa mpandaingalainga. i t.Cf: Katitatita. - F-p.: Katitatita: mpanao hatsikana, mpandaingalainga.
Ahitsio |
Katity | : | p.t.: Kely manifinify. ? Kahihitra, kafiry.
Ahitsio |