Kaolina | : | a.: Karazan-tany fanaovana paorselaina.
Ahitsio |
Kaoma | : | a: Mari-pijanonan-tsoratra (,), faingo.
Ahitsio |
Kaomisera | : | (fr. commissaire) a: Manamboninahitra ambony indrindra amin'ny Polisy izay tompon'andraikitra amin'ny fampanjakan a ny fandriampahalemana sy ny filaminana amin'ny tanàndehibe, ary mamarana ny famotorana ny fikarohana ny mpanao ratsy natomboky ny inspektera.
Ahitsio |
Kaona | : | a: Fifanatonana, fiadiana, fikambanana mifandray tsara. - t.i.f.: Akaona, voakaona, tafakaona / manakaona, fanakaona, mpanakaona / anakaonana, fanakaonana ( mikaona, fikaona, mpikaona ( ikaonana, fikaonana ( mahakaona.
Ahitsio |
Kaonfitira | : | (fr. confiture) a: Voankazo nandrahoina tamin'ny siramamy.
Ahitsio |
Kaonitra | : | a: Zoron-trano mandroso kely ka manjary toa haingony.
Ahitsio |
Kaonitra | : | p.t.: Efa manify sady fohy ny volony.
Ahitsio |
Kaonkaona | : | a: Fanenon'ny biby sasany, toy ny vorontsiloza; kaikaika tsy misy fiatoana. 6 Li. f.: Tafakaonkaona )mikaonkaona, fikaonkaona, mpikaonkaona)ikaonkaonana, fikaonkaonana ) mahakaonkaona.
Ahitsio |
Kaonserva | : | (fr. conserve) a.: Hena na trondro na voankazo na hanina efa nomanina ka atao anaty boaty vifotsy tsy idiran-drivotra mba ho azo tehirizina.
Ahitsio |
Kaontsy | : | a.: Karazana paoma marimarikivy sy handatrandatra (Cydonia vulgaris L.).
Ahitsio |
Kaonty | : | (fr. compte) a: Toetra na isan'ny vola miditra sy mivoaka: Izao no kaontin'ny volanao. • Fanisana na fanambarana vola: Manao kaonty ao an'efitra ao i rainao. / Tsy miady izany kaonty izany. - t.i.f.: Kaontina, voakaonty 1 mikaonty, fikaonty, mpikaonty / ikaontiana, fikaontiana. * f-p.: Kaonty baoritra: faminavinana anjoanjo fotsiny.
Ahitsio |
Kaoperativa | : | (fr. coopérative) a.: Fikambanan'olona mpamokatra na mpihinana izay manambatra ny asany na ny volany mba hananganana zava-mamokatra iray, ka miara-manana na miombona koa amin'ny vokatra azo.
Ahitsio |
Kaopra | : | (fr. copra) a: Ny aty nofon'ny voam-boanio izay efa nomainina.
Ahitsio |
Kaosy | : | a.: (akory izato izy) Teny ifampiarahaban'ny hova amin'ny foko merina: Kaosy, tompoko.
Ahitsio |
Kaosy | : | p.t.: Kanosa, saro-tahotra.
Ahitsio |
Kaovasy | : | a.: Fialana misokosoko, fiporitsahana handeha na handositra. - F..p.: Manao kaovasy: mihodivitra, mibolidy, mibisioka.
Ahitsio |
Kaozatina | : | (kaozatra) p.t.: Mahia aoka izany ka toa hozatra sisa tavela.
Ahitsio |
Kaozatra | : | p.t.: Mahia dia mahia, afa-nofo. i t.if.: Kaozatina I mikaozatra.
Ahitsio |
Kapa | : | a: Karazan-kiraro izay tsy feno ny tampon-tongony. i t. if.: Mikapa.
Ahitsio |
Kapa | : | a.: Karazam-pamelezana fanaon'ny mpanao daka, ka ny voditongotra no itsenana ny ranjon'ny ankilany. * F.-p.: Kapa tokana: karazan-daka toy ny kapa tsotra ihany, saingy mihorirana kely kosa ny vatana, dia entina mankeo anoloana ny tongotra vao alefa amin'ilay asiana, ka mazàna no mahavoa ao an-danivoa.
Ahitsio |