Kamilaitra | : | a: Karazan-damba vita amin'ny volon'ondry na volon'osy.
Ahitsio |
Kamo | : | p.t.: Tsy manana faharisihana hanao fa toa valabalaka ny saina na ny tena: Matetika mitana ny laharana farany ny mpianatra kamo. (Tsy dia azo lazainamandrakariva ho malaina ny kamo, satria mety mba tahanao asa ihany izy, saingy tsaroany sasatra na trotraka ny tenany). i t.i.f: Kamoina / manakamo, fanakamo, mpanakamo 1 anakamoana, fanakamoana / mahakamo / kamokamo. - F.-p.: Kamo be kibo, kamo be tenda: tsy tia asa nefaloia raha hihinana.JKamo maso: malefa-pijery. / Kamo reraka: kamo fatra-panambitamby, manolikoly fa tsy mahita hohanina. ¶ M.h.: Kamo velona, kalaina, malaina, benamboka, kisinina, lava lamosina, mpitango lalitra, mpanao lalimanga, kamo be kibo, kamo be tenda, manao afo am-bilanikely, manary andro foana, miriorio, mirendrena, mitonantonana, mitanina andro tsy manavy, midonana-poana, mitoe-poana, mitoe-poana toa volon'orona. — Kamokamo: Tsikamokamo, malaindaina, malaholaho, malazolazo, marezodrezoka, marisarisa, sorisorena, somazotsazoka, manaran-daina, tsy rototra, milasilasy.
Ahitsio |
Kamo | : | na Kamoladina a: Bozaka aolanolana atao toa mahazaka makadiry manefitra ny vary tsy hikasika ny aty rindrin'ny lavabary.
Ahitsio |
Kamoaka | : | p.t. sady a: Kanosa ratsy, kabaosy sy tsinontsinona.
Ahitsio |
Kamoina | : | (kamo) mt. ih. (kamoy): Atao izay hahakamo azy. ~ Atao amina hakamoana. ? Resena amin'ny katro.
Ahitsio |
Kamora | : | a: Anarana ilazana ny vantotra tanavavy, izay atao hoe koa "soamarandrana".
Ahitsio |
Kamory | : | a: Kano mihandrons ao amin'ny toerana iray, ka kelikely kokoa noho ny farihy fa lehibe kosa miolotra amin'ny dobo.
Ahitsio |
Kamoserina | : | (kamositra) mt. ih. (kamosero): Loahana.
Ahitsio |
Kamositra | : | a: Hazo amoserana mba hahazoana af o. - t.i.f.: Akamositra, kamoserina, voakamositra 1 manakamositra, fanakamositra, mpanakamositra / anakamoserana, fanakamoserana.
Ahitsio |
Kamosy | : | Jer. Kamaosy.
Ahitsio |
Kan | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa manisi-kevitra manaratsy namaneao: Kano-sa (osa), kambavy (vavy).
Ahitsio |
Kanadianina | : | (fr. canadien) a: Ny firenena monina amin' ny tanin'i Amerika avaratra (avaratr'i Etazonia):Ny ampahatelon'ny Kanadianina miteny frantsay, ny androatokony miteny anglisy. *p• t.: Momba an'i Kanada, an'i Kanada na avy any Kanada: Ny fanamboarana taratasy no orinasa kanadianina lehibe indrindra noho ireo ala lehibe sy maro any aminy.
Ahitsio |
Kanahitra | : | a: Aretina sahala amin'ny androbe. ? Bibikely tahatahaka ny famakiloha izay inoan'ny olona fa misy poizina raha manaikitra.
Ahitsio |
Kanakana | : | a: Voronandrano fiompy fisa-bava ary misy toa hoho mifaingoka midina ny tendrom-bavany ambony (anaran-kafa iantsoana azy: gana, ganagana, vorombazaha).
Ahitsio |
Kanambady | : | a: Enti-milaza ta-na, angely na hala, lahy sy vavy, ampiadin'ny ankizy.
Ahitsio |
Kanda | : | (Btl) a: Ombivavy tsy miteraka.
Ahitsio |
Kandafotsy | : | a: Zavamaniry izay ataon'ny olona ody farasisa ny raviny mangidY (Saluia leucodernus).
Ahitsio |
Kandahy | : | a: Ny lahy amin'ny biby, izay mifanohitra amin' ny kambavy vadiny.
Ahitsio |
Kandaonina | : | (Kingdon) a.: Vo-la ratsy taloha, tsy mba manéno tsara toy ny farantsa volafotsy fa ratsy feo. 1 h.o.: Zavatra na entana hosoka, na olona mpihatsaravelatsihy.
Ahitsio |
Kanefa | : | Kandrefap.mt: Entimampifanohitra hevitra roa: Notoroan-drainy hevitra 1koto, kanefa nanohitra mafy, ka navelany hanao izay tiany. (Jer. anefa, nef a, izay mitovy hevitra, fa tsy mitovy fampiasa amin'ny kanefa ara-ka izao).
Ahitsio |