Hatevina | : | Hatevenana (tevina) a.: Toetran'ny zavatra mate-vina: Lehibe ny hatevin'ny rindrina ka tsy atahorana ho re ao an'efitra ny resatsika. ~ Indrakely: Voatondro tala ny hatevin'ity hazo fisaka i-r9.
Ahitsio |
Hateza | : | Hatezana (teza) a.: Toetran'ny zavatra maharitra, ela vao simba na rovitra.
Ahitsio |
Hatezana | : | na Fahatezana a.: Toetran'ny zavatra mateza; faharetana; fahelana: Zato taona ny hatezan'ny fiainan' ny zanak'olombelona raha ela indrindra
Ahitsio |
Hatezerana | : | na Fahatezerana (tezitra) a.: Tsy fahafalfana amin'olona iray, izay mety hitarika hamely azy; hasosorana; havinirana: Ny hatezerana, hono, hadalana miserana ¶ M.h.: Mirehitry ny hatezerana, misafoaka, misamontotra, mifoaka, mitroatra, mifoaba
Ahitsio |
Hatina | : | a: Aretin-koditramora mifindra miteraka ferifery, avy amin'ny bibikely (renihatina) tsy hita afa-tsy amin'ny mikraosikaopy, mahatonga hidihidy lozantany, ary amin'ny elakelaky ny rantsantanana sy tongotra no iandohany, dia manerana ny tena manontolo, raha tsy voatsabo. (Ny~ hatina dia fantatra amin'ny faritany samihafa amin'ny anarana maro toy ny hoe: keligadra, kia, lavahaotra).
Ahitsio |
Hatoka | : | a,: Ny ao ambadiky ny tenda na ny faravozona ao an-damosina, manasaraka ny loha sy ny soroka. - t.i.f.: Mihatokatoka.
Ahitsio |
Hatokiana | : | (toky) a.: FananteHatomady Hatomady (tomady) a.: Hery, hataniahana, aina: Ny hatomadin'ny vatana dia mariky ny vatana salama.
Ahitsio |
Hatona | : | ft : Fanakaikezana. - t.i.f.: Hatonina, voahatona, tafahatona / manatona, fanatona, mpanatona 1 anatonana, fanatonana 1 mifanatona 1 mahahatona 1 hatonatona
Ahitsio |
Hatonina | : | (hatona) mt. ih. (hatony): Akaikezina, tomorina: Nohatoniny aho ka nataho tra.
Ahitsio |
Hatoranana | : | (torana) a.: Toetran'ny olona torana, tsy mahatsiaro tena tampoka, safotra: Ratsy raha dia maharitra ela loatra ny hatoranana
Ahitsio |
Hatra | : | ft.: Fahatongavana na fidonana any amin'ny noheverina haleha; fikasihana - t.i.f.: Ahatra, voahatra, tafahatra / mihatra, fihatra / fharana, fiharana / mampihatra / mankahatra, fankahatra, mpankahatra / ankaharana, fankaharana 1 mifankahatra I hatramy / hatratra.
Ahitsio |
Hatra | : | Teny atambatra: 1) amin'ny p. mt. milaza toerana: eo, eto, etsy, eroa, ery, eny, ao ato, atsy aroa, ary, any, mba hoenti-milaza faritoerana tratrarina: Hifaninana hazakazaka ianareo hatrer? amin'ny foto-paiso er?; 2) amin'ny ppk. amy mba hilazana fetran'isa na fotoana tsy azo ihoarana: Manisà hatramin'ny telopolo, /Andraso aho hatramin'ny zomà.
Ahitsio |
Hatraboka | : | a: jar. Traboka.
Ahitsio |
Hatrafoka | : | a.: Jer. Trafoka.
Ahitsio |
Hatraka | : | Hatrakatraka a: Rehaka, rehareha, aniona. - t.i.f.: Hatrakatrahina f mihatrakatraka, fihatrakatraka, mpihatrakatraka.
Ahitsio |
Hatrakatrahina | : | (hatrakatraka) mt. ih. (hatrakatraho): Atao na tenenina amin-kasahiana, amim-pireharehana.
Ahitsio |
Hatrakatraka | : | ft.: Hamenana midorehitra, mivaivay. i t.i.f.: Mangatrakatraka.
Ahitsio |
Hatraorina | : | Haotraorina (haotra) mt. ih. (hatraory): Kiki-sana amin'ny hohon-tanana (ny faritra mangidihidy amin'ny tena).
Ahitsio |
Hatretrehana | : | (tretrika) a.: Hasambarana milamina sy miadam-po tanteraka.
Ahitsio |
Hatrotrahana | : | (trotraka) a.: Havizanana lozantany.
Ahitsio |