Hasondrianana | : | Fahasondrianana (sondriana) a.: Havarianana, harenohana.
Ahitsio |
Hasy | : | (fit.-p) a,: Landihazo gasy.
Ahitsio |
Hatafa | : | Hatafana a.: Karazankazo (Terminalia badamia).
Ahitsio |
Hatahina | : | (hataka) mt. ih. (hataho): Asaina mihataka, atao mihataka: Hataho kely io zaza io sao pitihin'ny vato eo. ~ Sarahina: Tsy maintsy hatahina ny biby tsy mbola marary.
Ahitsio |
Hatahorana | : | Fahatahorana (tahotra) a.: Tahotra tsaroan' ny tena: Loza ny hatahorako tamin'ilay horohoron-tany halina iny.
Ahitsio |
Hataina | : | (taina) mt.ih. (hatao): Ampirehetina hatao kitay: Raha bozaka kely io no hatainao, tsy hahamasa-bary ianao.
Ahitsio |
Hatairana | : | na Fahatairana (taitra) a.: Fihetseham-po mahita na mandre zavatra tampoka tsy nampoizina: Mifoha amim-pahatairana. ~ Fivadiham-po: Tsy hita holazaina ny fahatairako nahita ilay ombalahy be tandroka roa metatra teo anoloako.
Ahitsio |
Hataka | : | a.: Fiangaviana hahazoana zavatra iray avy amin' olona:'Izao no hataka ataoko aminao. 1 Vavaka sy faniriana hahatanteraka izay i-laina: Henoy ny hatakay, Andriamanitra ô! ~ Zavatra nangatahina: Hataka ity ka tsy azoko amena anao indray. - t.i.f.: Angatahina, voahataka / mangataka, fangataka, mpangataka 1 angatahana, fangatahana / fangatahina / mahahataka / hatakataka. • F.-p.: Hatak'adala: fomba fangataka manao lemozy no miverimberina. / Hataka andro: fiangaviana fanemorana ho amin'ny andro hafa. / Hata-maso: faniriana mba hojerena. J Hata-piso: hataka tsy misy fiatoana sy miverhnberina hatrany.
Ahitsio |
Hataka | : | a.: Fisarahana na fanalavitana; fialana tsy hanakaiky; fitokantokanana tsy miaraka amin'ny hafa. - t.i.f.: Hatahina, ahataka, tafahataka / mihataka, fihataka, mpihataka / ihatahana, fihatahana / mahahataka / hatakataka.
Ahitsio |
Hatalanjonana | : | Fahatalanjonana (talanjona) a: Hagagana sy fahavarianana.
Ahitsio |
Hatanjahana | : | na Fahatanjahana (tanjaka) a.: Toetra ananan' ny olona matanjaka;manana herim-batana (mitovy amin' ny hoe "taniaka" ihany): Mbola ao anatin'ny taonan' nY fahatanjahana ianao izao, ka mahaiza manararaotra izany amin 'ny casa.
Ahitsio |
Hatanjahina | : | (tanjaka) mt. ih. (hatanjaho): Atao tonga manan-kery kokoa, mahery fo kokoa: Tokony hohatanjahinao amin'ny fanafody ity zaza ity fa saozanina. • Hamafisina kokoa: Nohatanjahiko tamin'ny anja-by tray iehibe ny sakamandimbin'ny tranoko.
Ahitsio |
Hatanorana | : | Fahatanorana (tanora) a: Ny fizaran'ny fiainan'ny olombelona, na ny biby koa aza, eo amin'ny fotoana isandratany ary ivelaran'ny sainy sy ny toe-batany: Matanjaka sy mahery fo ny fahatanorana, saingy tsy ampy fandanjalanjana / Ny fahatanoran'ny andro, ny misandratra andro.
Ahitsio |
Hatavezina | : | (tavy) mt. ih. (hatavezo): Atao tonga matavy, afahy: Hatavezo ireto kisoa ireto ambara-piveriko. ~ H. o.: Ampitomboina ny filaza azy, itarina anaovana laza masaka: Nohataveziny er? ny fitantarana ny ady baolina.
Ahitsio |
Hatavy | : | Hatavezana (tauy) a.: Toetran'ny olona na biby matavy, botrefona; habotrefona: Tsy afa-mandeha intsony ity vorona ity noho ny hatavezany.
Ahitsio |
Hateloana | : | (telo) p.mt.: Mandritra ny telo andro: Niasa hateloana izy dia niala. ? a.: Halavam-potoana tala andro: Nony afaka hateloana taorian'ny nahafatesany, dia nitsangana tamin'ny maty i Kristy.
Ahitsio |
Hatenda | : | (tenda) p.mt.: Hatreo amin'ny tenda ny halaliny na ny haavony. a F.-p.: Kobaka am-bava volana hatenda: teny fampanantenana be fotsiny fa tsy tanterahina.
Ahitsio |
Hatenina | : | (hatina) p.t.: Rakotry ny hatina, fana hatina.
Ahitsio |
Hatetika | : | (tetika) a.: Ny fitrangan-javatra matetika, misesy.
Ahitsio |
Hatevenina | : | na Hatevezina (te-vina) mt, ih, (hateveno, hatevezo): Atao matevintevina kokoa: Hateveno ny lalotra fa manify loatra izy izany. ? Atao matetika kokoa, mifanety kokoa, asiana sosona: Tsy nohateveninareo ny ketsa ka jereo fa keiy ny vary azo. ~ Ampitomboina hasina: Hatevezo, rankizy, ny anaran-drainareo.
Ahitsio |