Hasesehena | : | (sesika) a.: Habetsahana aoka izany.
Ahitsio |
Hasiahana | : | Fahasiahana (masiaka) a,: Toetran'ny olona masiaka, lozabe, faly hampijaly ny sasany; halozana,
Ahitsio |
Hasiaka | : | Fahasiaka (masiaka) a.: Ny toetran'ny olona lozabe na ny zavatra malaholaho: Tsy anerany ny hasiakan'ity sakay ity.
Ahitsio |
Hasihasy | : | a: Fahamenarana na fahatahorana fa tsy araka ny nampoizina ny zava-nitranga fa niharihary ny lainga na nY hadisoana natao. i t.i, f.: Mangasihasy, fangasihasy, mpangasihasY 1 mihasihasy, fihasihasy.
Ahitsio |
Hasina | : | a.: Hery ananan'ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo • Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran'olombelona: Manankasina ny tanindrazana. / Ninoan'ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka. 1 Haja, hamendrehana ananan'ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako. 1 Sira: Tsy ampy hasina ny laoka. - t.i.f.: Hasinina, ahasina, voahasina 1 manasina 1 mihasina / masina / hamasinina / ankamasinina / voamasina / manamasina, fanamasina, mankamasina, fankamasina / anamasinana, fanamasinana / ankamaainana, fankamasinana / mahamasina / fahamasinana / fanasina 1 fihasina. ¶ M,h.: Hery, zo, sata, fandaitra.
Ahitsio |
Hasina | : | a.: Vola na zavatra ha-fa atao fanomezana amin'ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, Hasin-tanana. 1 Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin'ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatra tany an-d roua nanolotra ny hasina ho an'ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka ~ Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin'ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en'izay nanan-d raharaha natao teo amin'ny fokonolona, dia ny hasina ho an'ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an'ny fokonolona - t.i.f.: Hasinina, ahasina / manasina, fanasina, mpanasina / anasinana, fanasinana. - F,-p.: Hasin'Andriana: ny volatsivaky nomena ny Mpanjaka. / Hasin-jaza: ny vola nomena ny zaza nalam-bolo voalohany na natao hasoavana. / Hasin-tanana: ilazana ny vola nomena ny mpitsabo nitsabo ny tena. / Rano voahasina: rano nanaovana fombam-pivavahana nanamasinana azy. / Vary hasina: 1) simba ny hajany; 2) tonga tsinontsinona ary maharikoriko.
Ahitsio |
Hasina | : | a.: Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana. i Ahasina / manasina, fanasina, mpanasina / anasinana, fanasinana.
Ahitsio |
Hasina | : | a.: Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin'ny zavatra iray: Hasim-boasary. i ai. f.: Mihasinkasina.
Ahitsio |
Hasina | : | a: Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin'ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin'ny fasam-bazimba na tamin'ny tanàna nonenan'ny Andriana fahiny koa ny hasina.
Ahitsio |
Hasinina | : | (hasina) mt, ih. (hasino): Omena hasina.
Ahitsio |
Hasinina | : | (hasina) mt. ih. (hasino): Omena hery amin'ny alalan'ny fivavahana, tsitsika, fitsofan-drano; hamasinina.
Ahitsio |
Hasiso | : | Fahasiso (siso) a.: Fahamaimboan'ny sakafo efa naharitra ela: Loza ny hasison'ireto varimasaka efa ela nitoerana ireto.
Ahitsio |
Hasiviana | : | (sivy) p.mt.: Mandritra ny andro sivy: Mivavaka hasiviana. ~ Halavam-potoana sivy andro: Nony tapitra ny hasiviana, sitrana ilay narary.
Ahitsio |
Hasoa | : | (soa) a.: Toetra soa, toetra tsara. 1 Hafinaritra, hatsara, hakanto: Ny hasoan' ny voninkazo. 1 Ny vokatra entin'ny..., ny ilana ny...: Tsy fantatrao angaha ny hasoan'ny orana?
Ahitsio |
Hasoavana | : | (soa) a.: Hatsarana: Fano hasoavana ilay vehivavy renin'Andriamanitra ~ Toe-java-tsoa, fahazoana soa: Tsy tokony hifanary na ankasoavana na an-karatsiana ? Ny firavoravoana, ny lanonana amin'ny famoran-jaza; ny famoran-jaza mihitsy: Namonjy hasoavana tao aminay ry Rakoto mianakavy. / Hatao hasoavana ny zafikeliko.
Ahitsio |
Hasoavina | : | (soa) mt, ih. (Hasoavy): Atao tonga soa kokoa:Hohasoavin'ny fanjakana hono ny lalana mankany amintsika amin'ny herintaona. • Asiana soa: Nohasoavinao ny zanako tamin'ny fampianarana nomenao azy. ~ Tahina: Hohasoavin'ny Tompo anie ianao.
Ahitsio |
Hasohaso | : | a.: Fandokadokafana somary diso tafahoatra ka matetika toa misy fane soana kely na fanantenana fanomezana avy amin'ilay dokafana, - t.i.f.: Hasohasoina, ahasohaso, voahasohaso / manasohaso, fanasohaso, mpanasohaso / anasohasoana, fanasohasoana.
Ahitsio |
Hasohaso | : | ft.: Madio tsy misy pentina. - t.i.f.: Mangasohaso.
Ahitsio |
Hasohasoina | : | (hasohaso) mt.ih. (hasohasoy): Dokadokafana, deraderaina amim-piandrandrana soa: Nohasohasoiny er? aho; hay nisy zavatra notetehiny tamiko.
Ahitsio |
Hasolana | : | Hasola, Fahasolana (sala) a.: Toetran'ny loha tsisy volo,
Ahitsio |