Hafainganina | : | (faingana) mt. ih (hafaingano): Atao tonga na vita haingana.
Ahitsio |
Hafaitra | : | (faitra) a: Hangidy.
Ahitsio |
Hafaladia | : | p.mk: Hatreo amin' ny faladia no halaliny (fer, Ha).
Ahitsio |
Hafana | : | (fana) a.: Toetran'ny zavatra mafana: Arakaraka ny hafanan'ny andro no tokony hanaovana akanjo maiuana
Ahitsio |
Hafanana | : | (fana) a.: Firehidrehitra, fangotrakotraka: Ny hafanan'ny afo no mahamasaka ny nahandro. •Fanevokevoka, figaingaina: Milet tsy ho tanty ny hafanà n'ny andro amin'ny aty fahavaratra.
Ahitsio |
Hafanana | : | tsy anerany. 1 Fahavorlam-bahoaka betsaka misy lanonana malaza. - t.i.f.: Mangetrika, mangetriketrika / manetriketrika, fanetriketrika / angetriketrehana, anetriketrehana, fangetriketrehana, fanetriketrehana.
Ahitsio |
Hafaraka | : | a: Toetran'ny zavatra mafaraka, mampangagaka ny tenda.
Ahitsio |
Hafarana | : | (hafatra) mt, ih. (hafaro): Omena raharaha, ampiandraiketina asa, anankinana zavatra: Nohafaran'i Neny aho mba hijer(iery tsara ny trano. ~ Asaina tonga: Hafaro izy fa marary reniny. * Vidina any lavitra ka asaina alefa: Satroka sy lamba no hohafarako any Antananarioo.
Ahitsio |
Hafarana | : | ahafatra, voahafatra 1 manafatra, fanafatra, mpanafatra 1 anafarana, fanafarana 1 mahafatra i hafatrafatra. - F,-p. :Hafa-baua:teny nampitondraina am-bava, fa tsy nisy taratasy na zavatra hafa ho porofo. I Fara hafatra: teny atao alohan'ny hisaraka. I Mitelin-kafatra: manadino izay nolazaina taminy nanafarana azy. / Vato namelan-kafatra: entf-milaza ireo olona mahatana tsy miova izay teny napetraka taminy, I Tangen-tsara hafatra: tangena tsy nanao afa-tsy ny rariny ka nnameloka ny diso.
Ahitsio |
Hafatra | : | a.: Teny apetraka amin'olona iray mba hampitainy amin'ny olon-kafa iray: Lasa nitondra hafatra izy. ~ Torohevitra, didy, teny apetraka: Izao no hafatr' i Dada tamiko talohan'ny handehanany.
Ahitsio |
Hafeno | : | Hafenoana, Fahafenoana (feno) a.: Toetran'ny zavatra (rano na voa) betsaka ka tonga hatramin'ny moron'ny toerana misy azy:Ny hafenoan'ny ro no nahatonga azy hitobaka. Matetika koa anefa ny hafenoana dia entl-milaza ny zavatra misy ny rano na ny voa izay tonga hatreny amin'ny molony: Ny hafenoan'ny tsangambaoa no nahatonga ny ro hitobaka. ~ H.o.: Habetsahana (fihetseham-po): Mila tsy ho tanako ny sandriko hamely anao noho ny hafenoan'ny foko. * F,-p,: Noho ny hafenoandrano be loatra: fialan-tsiny ataon'ny mana-manjo tsy afaka nampandre ny havana aman-tsakaiza rehetra noho ny ranomaso na alahelo be loatra tsy nahafahana nikarakara izany.
Ahitsio |
Hafetsena | : | (fetsy) a.: Fahaizana, hakingana. * F,-p.: An-kafetsena: amimpahakingana.
Ahitsio |
Hafina | : | (hafy) mt. ih. (hafio): Iaretana: Hafio ny hatsiaka, anaka,fa tsy manana afa-tsy ireo lamba ireo isika.
Ahitsio |
Hafina | : | a.: Karazan-kazo fianakavian'ny rofia sy ny ravinala, izay fihinana ny fakany.
Ahitsio |
Hafinaretana | : | Fahafinaretana (finaritra) a.: Hafaliana: A-kory ny hafinaretako namaky ny taratasinareo, ry Dada sy Neny. ? Hasambarana, fahasambarana, fahatretrehana: Ao anatin'ny fifankatiavana ihany no misy ny hafinaretana
Ahitsio |
Hafiriana | : | p.mt,: Enti-manontany ny isan'ny andro naharetan'ny zavatra na asa iray: Hafiriana no nipetrahanareo tany Toamasina?
Ahitsio |
Hafitoana | : | (fito) p.mt.: Mandritra ny fito andro: Naharitra hafitoana ilay orana tamin'ny tapa-bolana. ? a.: Halavam-potoana fito andro: Rehefa afaka ny hafitoana hiuerina izahay.
Ahitsio |
Hafitra | : | a.: Jer. Hafotra.
Ahitsio |
Hafohezana | : | (fohy) a: Toetran' ny zavatra fohy: Tsy afaka hiresaka be aho noho ny hafohezan'ny fotoana
Ahitsio |
Hafohezina | : | (fohy) mt. ih, (hafohezo): Atao fohifohy kokoa, hakelezina ny halavany: Hafohezo araka izay azo a-tao ny teninao.
Ahitsio |