Gerigesy | : | a.: Olon-ketrina, tonendrina (teny fampiasan' ny ankizy amin'ny lalao).
Ahitsio |
Gety | : | (fr. guette) a.: Fonondranjo vita amin'ny lamba na hoditra: Manao gety.
Ahitsio |
Gia | : | a: Fehy mafy, fihina na fitazonana mafy. - t.i.f,: Giazana, agia, voagia / mangia, fangia, mpangia 1 angiazana, fangiazana 1 migia, figia, mpigia 1 igiazana, figiazana 1 mahagia, giagja.
Ahitsio |
Giaka | : | a.: Feo kely manivaka ary mivalana amin'ny hira. i Migiaka.
Ahitsio |
Giazana | : | (gia) mt. ih, (giazo): Fihinina mafy: Aza giazanao toy izao ny tanako.
Ahitsio |
Gidana | : | a.: Fakana an-keriny indray mifaoka: Manao gidana.
Ahitsio |
Gidragidra | : | a.: Bedibedy, kiankiana, teniteny: Be gidragidra loatra Ramatoa mpampianatra. ? Fifandirana, adiady, tsy fifanarahan-kevitra.
Ahitsio |
Gidro | : | a.: Karazam-biby mitovitovy habe amin'ny saka saingy izy lava rambo ary ny tarehiny manana toetra ifandraisany amin'ny olona. 1 H. i.: Olona ratsy tarehy.
Ahitsio |
Gidro | : | Gidrogidro, Gidroka a.: Fe on-javatra mifampikasoka ka midridridridry, mifandilotra. - t.i.f.: Agidrogidro, tafagidrogidro 1 managidrogidro, fanagidrogidro, mpanagidrogidro 1 anagidrogidroana, fanagidrogidroana 1 migidrogidro,figidrogidro, mpigidrogidro 1 igidrogidroana,figidrogidroana 1 mahagidrogidro.
Ahitsio |
Giga | : | Gigagiga p. t.: Antitra dia antitra, goga (zavatra mafy tsy laitra vaitina), - t.i.f.: Migigagiga, figigagiga.
Ahitsio |
Gigigigy | : | a.: Fatotra mafy dia mafy tsy ahafahana mihetsika na mandositra. - t.i.f.: Agigigigy f managiaiglgy, fanagigigigy, mpanagigigigy / anagigigigiana, fanagigigigiana / migigigigy, figigigigy. I mahagigigigy.
Ahitsio |
Gigika | : | a.: Fitomaniana mafY, ranomaso arahin-tsentosento, - t.i.f.: Migigika, figigika, mpigigika f mahagigika. Gija a.: Jar. Gejac
Ahitsio |
Gila | : | p.t.: Tsy mahitsy fijery, njola: Gila maso.
Ahitsio |
Gilio | : | a.: Dity atao fandraiketana hazo indrindra.
Ahitsio |
Giloby | : | (fr. globe) a.: Zavatra boribory. ~ Teny ampiasain' ny mpanoratra hilazana ny tany: Eto amin'it9 gilobindranomaso
Ahitsio |
Gilome | : | (fr. guillemet) a.: Jer. Farangososona.
Ahitsio |
Gina | : | a.: Tsy misy feo re: Gina ny tannin. Tsy ahitan-teny, tsy miteny, tsy mahateny, tsy mahavolana, tsy mahaloa-peo: Notenenin-drainy izy ha gina tara). 1 Marenina: Gina ny sofiko azon'ny tabataba. I Mangina, fangina, mpangina f anginana, fanginana f hahanginana, fahanginana f migina, figina, mpigina 1 iginana,figinana f mahagina f gingina 1 mangingina. ¶ M.h.: Kina, sina, mangina, tankina, tsy miteny, tsy miloa-bava, tsy miloa-peo, tsy miteny tsy mivolana, mihimoka, mizai-molotra, mikombom-bava, tsy ahitanteny, mafy vava, vitsy teny, misaraka aman-teny, moana;
Ahitsio |
Ginadra | : | (gadra) mt. ih. misY tsofoka in: Voagadra, gadrana, asiana gadra (vy amatorana ny tongotra tsy hahafahana mandositra): Glana efa noginadra iny.
Ahitsio |
Ginaika | : | (gaika) mt. ih, misy tsofoka in: Gehina, voafehy mafy: Noginaikany mafy tamin'ny etra ny ualahany, ? Alaina an-keriny: Noginaiky ny mpanjana-tany ny tanin' ny teratany.
Ahitsio |
Ginehy | : | (gehy) mt. ih, misy tsofoka in: Voagehy, gehezina, fatorana, fehezina: Noginehiny tsara ny entany vao nandeha izy. •Terena: Raha tsy noginehin'ny ray amandreniny izy tsy nety nianatra. ? Fihinina: Noginehindreniny ela teo ilay zanany uao tonga.
Ahitsio |