Litera F
Fanakorofoka: (korofoka) a. : Fomba entina manakorof o-ka, manetsiketsika ny tena sy ny tanna.
tohiny
Fanakorombiana: (koromby) a : Fiarovana, fanalokalofana, fitahirizana, fitandremana mba tsy ho simba.
tohiny
Fanakoromby: (koromby) a. : Fomba entina manakoromby, miaro, manalokaloka, mitahiry mba tsy ho simba.
tohiny
Fanakorongo: (korongo) a. : Fomba entina manakorongo, mampiforitra, mampilefitra.
tohiny
Fanakorongoana: (koromby) a. : Fampiforetana, fampileferana; fampan akekez ana.
tohiny
Fanakorontana: (korontana) a.: Fomba entina manakorontana, manimba ny filaminana, mampisafotofoto.
tohiny
Fanakorontanana: (korontana) a : Fanimbana ny filaminana, fampisafotofotoana, fampitabatabana.
tohiny
Fanakorosiana: (korosy) a.: Fanakorotsahana zavatra izay atosika rahateo koa.
tohiny
Fanakorosy: (korosy) a. : Fomba entina manakorosy zavatra izay arahin-tosika indray koa.
tohiny
Fanakorotehana: (korotika) a.: Fandrovitana tsy misy kitotony, fanakotehana; fanimbana; fanasavorovoroana.
tohiny
Fanakorotika: (korotika) a. : Fomba entina manakorotika, mandrovitra tsy misy kitotony, manakotika.
tohiny
Fanakorotsahana: (korotsaka) a. : Fanidinana, fanakorianana, fampidinana.
tohiny
Fanakorotsaka: (korotsaka) a.: Fomba entina manakorotsaka, manakoriana, mampidina.
tohiny
Fanakosenana: (kosina) a. : Fandotoana, fanosenana; fampiarahana amin'ny fatritran' olona.
tohiny
Fanakoserana: (kositra) a. : Fandilorana, fampihodinana hazo iray lava eo ambonin'ny hazo iray hafa mba hahazoana…tohiny
Fanakosesena: (kosesy) a. : Fanaovana haingana tsy misY fiatoana, tsy an-kijanona.
tohiny
Fanakosesy: (kosesy) a. : Fomba entina manakosesy, manao haingana tsy misy fiatoana, tsy an-kijanona.
tohiny
Fanakosina: (kosina) a. : Fomba entina manakosina, mandoto.
tohiny
Fanakositra: (kositra) a, : Fomba entina manakositra, mampihodina hazo iray lava eo ambonin'ny hazo iray hafa mba…tohiny
Fanakosohana: (kosoka) a. : Fampandalovana (ny tanana na borosy) eo ambonin'ny zavatra iray hampahadio azy.
tohiny