Litera F
Fanagaboka: (gaboka) a.: Fomba entina manao antontanY, fanavosa, fanavovona.
tohiny
Fanagadrana: (gadra) a. : Famatorana amin'ny gadra; fampidirana an-tranomaizina.
tohiny
Fanagainana: (gaina) a. : Fandisoana fanantenana.
tohiny
Fanagana: Fangana (gana) a. : Fomba entina managana, mandrindrina varavarana na mikapoka mafy.
tohiny
Fanaganana: (gana) a. : Fandrindrinana varavarana, na fikapohana mafy,
tohiny
Fanagarebohana: (gareboka)a,: Fitelemana mandrebodreboka, mandrapadrapaka.
tohiny
Fanagareboka: (gareboka) a. : Fomba fitelina, mandrapadrapaka.
tohiny
Fanagedragedra: (gedragedra) a. : Fomba fanaketraka, fanagoragora fatorana.
tohiny
Fanagedragedrana: (gedragedra) a. : Fanaketrahana, fanagoragorana fatorana.
tohiny
Fanagegena: (gaigy) a. : Asa a-tao raha managaigy.
tohiny
Fanagidrogidro: (gidro) a. : Fomba entina managidrogidro na mampikasoka zavatra miteraka feo midridridridry.
tohiny
Fanagidrogidroana: (gidro) a. : Fampikasohana zavatra miteraka feo midridridridry, mifandilotra.
tohiny
Fanagigigigiana: (gigigigy) a. : Famatorana mafy dia mafy.
tohiny
Fanagigigigy: (gigigigy) a. : Fomba famatotra mafy.
tohiny
Fanagoanana: a, : Famohana an-tratreva ny varavarana ka mahatonga feo mikotrokotroka sy mirefotra.
tohiny
Fanagorabahana: (gorabako)a.: Fandoahana makadiry, fanaovana lavaka lehibe sy malalaka.
tohiny