Litera F

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fanasara: (saro) a. : Fanofana zavatra tsy maharitra. tohiny
Fanasarana: (sara) a, : Fandoavana sarany (hofan-javatra tsy maharitra, miserana). tohiny
Fanasarana: (sasatra) a. : Famizanana; fanelingelenana. tohiny
Fanasarangotra: (sarangotra) a.: Fomba entina manasarangotra, manasingotra ny tanana, ny tongotra. tohiny
Fanasarebahana: (sarebaka) a.: Fampirefarefana (ny lamba) amin'ny tany. tohiny
Fanasarebaka: (sarebaka) a. Fomba entina manasarebaka, mampirefarefa (ny lamba) amin'ny tany. tohiny
Fanasarirahana: (sariraka) a. Fanasaritahana, fampisafotofotoana, fanasavorovoroana. tohiny
Fanasariraka: (sariraka) a. : Fomba entina manasariraka, manasavorovoro, manasaveravera. tohiny
Fanasaritahana: (saritaka) a. Fanakorontanana, fampisafotofotoana. tohiny
Fanasaritaka: (saritaka) a. Fomba entina manasaritaka, mampisafotofoto be ihany, manakorontana. tohiny
Fanasarotana: (sarotra) a. : Fanaovana izay hahasarotra, hahakitokitoina, hahalafo. tohiny
Fanasarotra: (sarotra) a. : Fomba entina manasarotra, mahatonga ho sarotra, manahirana, laf o. tohiny
Fanasatra: (sasatra) a. : Fomba entina manasatra, mamizana. tohiny
Fanasatrohana: Fanatrohana (satroka) a. : Fanomezana (zavatra) hatao satroka. tohiny
Fanasatroka: Fanatroka (satroka) a. : Fomba entina manasatroka, manatroka. tohiny
Fanasavembena: Fanavembena (savembena) a, : Fomba entina manavembena, mamezivezy, manasavilivily. tohiny
Fanasavembenana: Fanavembenana a. : Famezivezena, fanasaviliviliana. tohiny
Fanasavenavena: na Fanavenavena (savenavena) a. : Fomba entina manasavenavena, mampitanatana. tohiny
Fanasavenavenana: (savenavena) a. : Fanokafana be, fanatanatanana. tohiny
Fanasaveravera: (saveravera) a.: Fomba entina manasaveravera, , manasariraka (ny akanjo). tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169