Litera F
Fandripahana: (ripaka) a.: Fanjerana, famelezana ny betsaka, fandringanana, fandevonana, fandaniana tanteraka.
tohiny
Fandripaka: (ripaka) a.: Fomba entina mandripaka. ? p. t.: A-zo aripaka.
tohiny
Fandririsana: (riry) a,: Fanalana, fanongotana ny ravin-kazo.
tohiny
Fandrisihana: (risika) a.: Fampahazotoana, fitarihana, fitaomana, fanomezana zotompo sy havitrihana.
tohiny
Fandrisika: (risika) a.: Fomba entina mandrisika, mampahazoto, manome havitrihana.
tohiny
Fandritra: (ritra) a.: Fomba entina mandritra, izany hoe manao izay hahatankina; fomba entina mahandro hena mba…tohiny
Fandritsohana: (ritsoka) a.: Fitenenana mibitsibitsika amin'olona; fanoroana malemilemy.
tohiny
Fandritsoka: (ritsoka) a.: Fomba entina mandritsoka, miteny mibitsibitsika amin'olona.
tohiny
Fandrivana: (rivana) a.: Fomba entina mandrivana na mandrahona mafy; fomba entina mamaky tantana.
tohiny
Fandrivanana: (ricana) a.: Fandrahonana mafy amin-katezerana; famakiana tantana.
tohiny
Fandrivirivy: Firivirivy (rivirivy) a.: Toetran'ny kapoka sesilany.
tohiny
Fandrivotra: (rivotra) a.: Toetran'ny rivotra mitsoka.
tohiny
Fandrivotse: (Ski) a: Karazankazo fakana hafotra fanao tadim-pintana.
tohiny
Fandrizatana: (rizatro) a.: Fanaovana teny feno hatezerana amin'olona.
tohiny
Fandrizatra: (rizotra) a.: Fomba entina mandrizatra.
tohiny
Fandroahana: (roaka) a.: Fanosehana handeha hialoha na hihataka: Fandroahana ny omby any an-tsaha. / Nahatsikaiky…tohiny
Fandroaka: (roaka) a.: Fomba entina mandroaka, manosika hivoaka 1 p. t.: Azo roahina, ? a.: Alika, amboa.
tohiny
Fandroana: (andro) a.: Andro lehibe azo heverina ho fetimpirenena malagasy fahizay izay natao ho fidiovana indrindra…tohiny
Fandroatana: (roatra) a: Fiterahana roatra; fisafoahana.
tohiny