Litera F

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fandrifatana: (rifatra) a.: Fanenjehana, fitezerana, fandevilevena; filefana. tohiny
Fandrifatra: (rifatra) a.: Fomba entina mandrifatra, mandositra, milefa. tohiny
Fandrihana: (fandrika) mtih. (fandriho): Samborina amin' ny fandrika, amin'ny zavatra amboarirra mba hahazoana am-pitaka:…tohiny
Fandrika: a.: Zavatra atao hisamborana biby, indrindra ny vorona: Fandri-boalauo. • H.o.: Fitaka atao hamelezana…tohiny
Fandrimba: (rimba) a,: Fomba entina mandrimba, manimba, mandrava, mandevona. ? p. t.: Azo simbana, ravana, levonina.…tohiny
Fandrimbana: (rimba) o.: Fandravana, fanimbana. tohiny
Fandrimorimo: (rimorimo) a.: Fomba entina mandrimorimo, manipy zavatra mafY mifofofofo. tohiny
Fandrimorimoana: (rimorimo) a; Fanipazana zavatra mafy mifofofofo; fampimonomononana. tohiny
Fandrin-drano: a.: Fahamarintampona, fitovizan-tantana toy ny an'ny rano: Fandrindrano ka tsy misy auo sy tua ? H.o.:…tohiny
Fandrindra: (rindra) a.: Fomba entina mandrindra, mandamina, mandanto. 1 p.t.: Azo arindra, alamina, alanto. tohiny
Fandrindrana: (rindra) a.: Fandaminana, fandantoana. tohiny
Fandrindrina: (rindrina) a.: Fomba entina mandrindrina, manakatona. tohiny
Fandrindrinana: (rindrina) a: Fanakatonana. tohiny
Fandringa: (ringa) a.: Toetran' ny olona na zavatra mandringa, miavo miiva. tohiny
Fandringàna: (ringa) a.: Fandehanana na fipetrahana mitongilana, tsy marina mahitsy tsara. tohiny
Fandringana: (ringana) a.: Fomba entina mandringana, mandripaka, mamono hatramin' ny farany, manimba tanteraka. 1…tohiny
Fandringanana: (ringona) a.: Fandravana, fanimbana tanteraka, fandevonana ka tsy misy avala hitsangana na iray aza,…tohiny
Fandrionana: a.: Ody basy mba tsy hahavoazana amin'ny bala atifitry ny fahavalo. tohiny
Fandriorio: (riorio) a.: Fomba entina mandriorio, mampirenireny, mampibirioka. tohiny
Fandrioriovana: (riorio) a.: Fampirenirenena; fampibiriohana, fampandehanana atsy fampandehanana aroa. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0198